Edito

Tetika maizina


  • Alakamisy 11 Oktobra 2012

Miha hita soritra hatrany ny teti-dratsy any ambadibadika any amin'ny fasakanana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mba tsy afaka hilatsaka hofidiana amin'ny fifidianana.

 Re fa tafiditra ao anatin'io tetika io ny fampihemorana ny fahatongavan'ny iraky ny SADC eto Madagasikara, iraka izay tokony hanao tomban'ezaka ny fampiharana ny tondrozotra sy ny fiomanana amin'ny fifidianana. Tsy azo lavina fa misy olona, manampahefana eto an-toerana sy any ivelany miray petsapetsa amin'izany tetika mazina izany. Io ilay efa nambara teto foana fa tena misy ireo tsy manaiky ary tsy hanaiky mihitsy izany fiverenan-dRamose eto izany, tsy iza fa ny ankolafy Rajoelina sy izay rehetra nandray anjara tamin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2009. Tetika efa nomanina hatry ny ela ny azy ireo ka sarotra ny hinoana fa hilefitra moramora foana izy ireo. Io fanakanana ny fodian'ny filoha teo aloha io indray izao no tena anton'asan'ireo tandapa manodidina an'i Andry Rajoelina, araka ny tsiliantsofina re. Misy antony matoa lasa any Afrika Atsimo maika dia maika Rtoa Annick Rajaona talen'ny fifandraisana iraisam-pirenena ao amin'ny fiadidiana ny tetezamita. Tsy hitsangatsanagana no anton-diany any fa tena misy ifandraisana amin'ny tsy fahatongavan'ny iraky ny SADC sy ny fodian'i Marc Ravalomanana. Raha ny vinavinan'ny mpanara-baovao politika dia hanao izay fomba rehetra hihemoran'io fahatongavan'ny iraky ny SADC io ny ao Ambohitsorohitra, amin'izay mihemotra ihany ny daty mety hodian-dRavalomanana, ka ny hiafarany dia na tonga eto aza izy, dia efa tsy afaka ny ho kandida intsony satria dila ilay fe-potoana ambaran'ny lalàna fa tsy maintsy hajain'ny kandida rehetra, dia ilay hoe monina eto Madagasikara enim-bolana mialohan'ny fifidianana.

Toa manaporofo koa izao tetika rehetra izao fa tsy afaka ny hisambotra sy hanagadra ny filoha teo aloha, ny manampahefana eto ka naleon'izy ireo mamingana azy any amin'ny resaka filatsahan-kofidiana. Don-tandroka no natao tamin'ny alalan'ny raharaham-pitsarana tatsy Afrika Atsimo ka naparitaka haingana ny feo fa hoe nalaina ny pasipaoron'ity filoha teo aloha ity ka tsy afa-mihetsika intsony izy. Tsy dia tena izay anefa ny tena marina.

Azo antoka ihany koa fa efa nandresy lahatra tetsy sy teroa mba tsy hahamaika ny SADC handefa iraka eto ny olon-dRajoelina, hany ka rehefa nivoaka ilay fanambarana ny amin'ny fahatongavan-dry Simao dia tsy maintsy nandefa iraka manokana nankany Afrika mihitsy, mba hiangavy azy ireo tsy ho tonga ? Ny andrasana ankehitriny dia ny hevitr'Atoa Marc Ravalomanana sy ny ankolafiny, satria tena tsy niova mihitsy raha ny fahitana ny ankolafy Rajoelina, fa dia ny hevitra tamin'ny telo taona lasa ihany no mbola tohanana hatramin'izao dia ny hoe : tsy mila an'i Marc Ravalomanana mody eto izany. Lava tanana ny FAT ary efa manana olona any anatin'ireo fikambanana iraisam-pirenena samihafa, Lafrantsa rahateo moa manohana an-dRajoelina ary tsy misalasala manetsika ireo saribakoliny. Mazava koa ny resaka izao fa matanjaka i Marc Ravalomanana matoa atahorana ka sakanana tsy hiditra eto.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT