Taorian’ny fahazoana ny fahaleovantena, araka ny fanazavana dia nezahin’ny fanjakana ho mpitondra ny hafany fotsiny ihany ny mpanao gazety. Tsy nijanona teo anefa ireo matihanina fa niezaka hatrany ny hampivoatra ny asany ho asa fanaovan-gazety malalaka kokoa. Nampiroborobo izay fahalalahana maneho hevitra izay ny demokrasia nanomboka tany amin’ny taona 90 tany. Manoloana ireo dia miantso ny fitarihan’ireo filoham-panjakana afrikanina ireo ny mpanao gazety afrikanina ny amin’ny tokony hanajan’ny fitsarana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana maneho hevitra. Eo koa ny ady amin’ny tsy maha maty manota, ka ao anatin’ireny ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny governemanta, polisy, mpitandro ny filaminana, izay voarohirohy tamina heloka bevava sy fanararaotana nataony tamin’ireo mpanao gazety.
Ny fampiatoana ny fangejan’ny fanjakana ireo sehatra mifehy ny haino aman-jery sy ny gazety ; mba ho zara mitovy, manaja ny lalan’ny fifaninanana ary tsy miandany amina firehan-kevitra politika ny fanomezana fahazoan-dalana ho an’ireo haino aman-jery. Mitaky ny fankatoavana sy ny fampiharana ny fifanarahana momba ny fahalalahana maneho hevitra aty Afrika izay nankatoavin’ny Vaomiera afrikanina misahana ny zon’olombelona tamin’ny taona 2002 koa ireo mpanao gazety.
Takian’izy ireo ihany koa ny hankatoavana sy hampiharan’ireo filoham-panjakana ny lalana miantoka ny fahazoana vaovao. Araka izany, dia mangataka amin’ireo filoham-panjakana afrikanina izay nanao sonia ny sata afrikanina ho an’ny zon’olombelona mba hanavao ny fankatoavan’izy ireo zo fototra voafaritr’ireo fifanarahana iraisam-pirenena ; izany dia mba hanamafisana ny ezaka fampiharana ireo nekena. Fotoan-dehibe iray, tokony hihaonan’ireo filoha afrikanina mampiasa manontolo na amin’ny ampahany io any Parisy io, hoy ireo mpanao gazety afrikanina ahafahana mamaritra sy mandinika izay fanamby tokony hatrehana. Mpiray ombon’antoka goavana ahafahana mahatratra ny tanjona dia ny hanorina Afrika demokratika, hanjakan’ny fahalalahana ny fahaleovantenan’ny asa fanaovan-gazety. Nanasonia izany fanambarana fitakiana ho an’ireo filoham-panjakana afrikanina izany moa ny komity misahana ny fiarovana ny mpanao gazety na ny CPJ.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.