Edito

Tery


  • Zoma 20 Septambra 2019

« Tery ». Tsy misy voambolana mahalaza azy ankoatr’izay raha hiresaka ny momba ny atao hoe demokrasia eto Madagasikara isika.

 

 

Taratra io raha nahita ny valin’ny fitsarana ireo namana mpanao gazety omaly. Tsy asiana resabe intsony angamba iny. Hanao ahoana ny ho avy ? Ny ho avin’izay demokrasia nilokalokana hampanjakana tany anaty propagandy izay ? Mila hampahatsiahivina eto koa angamba fa nanokafan’ny filoha ankehitriny kianja manokana mihitsy, folo taona lasa izay. Ilay kianja aza moa nakatona tsy lera ary tsy nosokafana intsony hatramin’izao. Dia tena tsy mbola nisy heloka an-gazety na “délit de presse” hafa nitranga sy nanohintohina rafitra na olona nihoatra iny resaka angindimby iny tokoa ve tato anatin’izay 9 volan’ny fitondrana IEM izay ? Sa rehefa tsy manohintohina ny fitondrana sy vao mainka manome vahana azy aza dia tsy maninona na dia mety hanimba fiainan’olon-kafa ? Azo lazaina teo amin’ny laharana antonony eo imason’ny sehatra iraisampirenena isika tamin’ny taon-dasa, raha nikasika ity resaka demokrasia ity na dia mbola tsikera nomen’izy ireo antsika aza ny hoe maro ny lesoka tokony harenina. Ary efa voambolana nivoaka koa moa tamin’izany io teny hoe “tery” io. Asa hanao ahoana indray izany ny mikasika ity taona ity eo amin’izay lafiny izay ary sanatria aza ve mbola ho mafimafy noho io ny voambolana hahafaritra azy fa dia efa tsy vitan’ny hoe firenena anisan’ny farany mahantra izany isika ankehitriny eo amin’ny lafiny toekarena, sosialy, politika fa dia mbola hitombo koa ny fahantrana ara-pahalalahana.

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT