Edito

Teren-ko masaka daholo


  • Alakamisy 18 Mey 2017

Io indray koa ary izao fa miha mafampana ny toe-draharaha eny amin’ny oniversiten’Antananarivo eny.


Toy ny efa mahazatra isan-taona dia manomboka tamin’ity volana mey ity indray ny fifanandrinana voalohany eo amin’ny mpianatr’Ankatso sy ny Emmoreg. Ny an’ity farany sy ireo sendika isan-karazany mbamin’ireo mpanao politika moa dia efa nosantarin-dry zareo tamin’ny 29 martsa teo. Ny vahaolana mba hisorohana amin’ny fanakorontanana kosa, hono, dia ny fafy etona mandatsa-dranomaso isak’izay mihetsika. Ny taona 2009 no nanomboka lasa 66 000 ariary ny fampitaovana noraisin’ireo mpianatry ny oniversite isam-bolana. Efa nitaraina ireo mpianatra hoe tsy ampy io fa voatery midi-trosa foana ny ankamaroan’izy ireo, indrindra ny avy any amin’ny faritra. Amin’izao fotoana izao, nidirana ilay rafitra LMD izay mitaky fampitaovana teknolojika maromaro kanefa dia ny teo ihany no teo hatreto. Toy ny teren-ko masaka tahaka ny raharaha rehetra nanomboka tany amin’ny sata mifehy ny fifandraisana sy fanerena any an-tsain’ny olona fa ara-dalàna ny fandehan’ny raharaha Razaimamonjy koa amin’izao fotoana ny fiainan’ireo mpianatry ny oniversite izay tsy hay intsony na mbola heverina ho avin’ny firenena na tsia.

Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT