Edito

Teoria no betsaka


  • Alatsinainy 12 Aprily 2021

Ny planina tsara rafitra indrindra aza, hoy ny mpitondra fanjakana amerikanina teo aloha,

 

 

Colin Powell, izay mipatitaka rehefa eny an-kianja maika moa izany fa hevitra kitanitany sy maimaika no entina mandray fanapahan-kevitra? Efa ela no naha resy lahatra ny tandrefana sy tatsinanana ary ireo firenena miha mivoatra aty afrika fa matetika mifanalavitra io teoria sy fampiharana io. Ny filoham-pirenena sinoa teo aloha, Mao Tsé-toung, aza talohan’ny taona 1949 no efa resy lahatra fa ambony noho io dinika an-databatra na teoria io izany fampiharana izany. Nanana ny IEM ny filoham-pirenena nandritry ny fampihelezan-kevitra. Anaty fitondrana izy ankehitriny saingy maro ireo mbola mametra-panontaniana hoe nanao ahoana ny nampiharana izany? Niara-dalana tamin’izy io moa ilay hoe Velirano. Nipoitra koa avy eo ny hoe PGE, izany nolazaina fa namadihana ny IEM ho praogramam-panjakana. Fanazavan’ny filoham-pirenena farany teo indray anefa dia hoe efa lasa PEM indray ilay IEM ary mbola nambara fa fandaharana toy ilay PGE koa io “Programme Emergence Madagascar” io ary hanatontosana ilay “Initiative Emergence Madagascar”. Nilokalokana tamin’ny fampihelezan-kevitra efa tamin’ny 2 taona lasa mahery ny IEM saingy izao indray ve izany vao tena ho tontosaina? Nolazaina tamin’ny taon-dasa koa moa fa nanakana ireo tetikasa rehetra an’ny fitondrana tokony ho efa tontosa ela ny fidiran’ity valanaretina ity eto. Nanangana drafitra vaovao hanarenana ny mety ho takaitran’izy io koa noho izany ny filoham-pirenena sy ny ekipany dia ilay “Plan Marshall” izay nanokanana tetibola manokana. Aiza ho aiza koa izany iny amin’izao fotoana izao sa ho lany andro hitokana vato fototra manerana ny nosy eto fotsiny, araka ny nambaran’ilay mpanao politika iray izay, mandra-pahatonga ny 2023? Ilay aretina nanomanana drafitra Marshall ity tsy resy tosika fa miha mahery vaika aza. Teoria hatreto no betsaka!

 

J. Mirija

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT