Edito

Teny zato, kabary arivo


  • Alatsinainy 09 Martsa 2020

“Teny zato, kabary arivo, fa ny iray ihany no marina”, hoy ny oha-pitenenantsika izay.

 

 

 Mbola fomba fiteny hafa ihany koa ny hoe 3avadibadiho im-pito aloha ny lela mialoha ny hitenenena3. Tena fahendrena lehibe izany mba tsy hisian’ny nenina sy hizakana latsa raha sanatria, ka ny teny nambara no hamatotra ny tena sy hampidi-kizo. Hafahafa anefa ny an’ny Raiamandreny lehibe eto amin’ny firenena, fa toa zary efa fanao io vava be io rehefa mafampana ny toe-draharaha politika. Tsaroana ny tenin’ny filoha tamina fampiakaram-peo nataon’ny mpanohitra hoe: “izaho tsy voaonganareo izany”. Iny indray ny faran’ny herinandro teo, fa mbola nanao teny toa feno fahatokisan-tena eo anatrehan’ny kiana momba ny fifidianana. Efa hatrany am-piandohan’ny fifidianana, hono, no efa fantatra fa izy no mpandresy. Tsaroana tokoa ilay vava be tamin’izany hoe: na inon-kidona na inon-kitranga, isika tsy maintsy mandresy. Rehefa mandeha anefa ny adihevitra momba ny fahadiovan’ny fifidianana, dia toa tsy manana venti-kevitra hoenti-manamarina ny mpitondra, fa tena lany tamin’ny fomba madio mangarahara. Ny samy fahefam-panjakana aza mifanipaka sy mifandetika. Miezaka mitady ny fomba rehetra hanodinana ny resaka. Sao sanatria tokoa mpandresy tamin’ny hosoka ? Dia nitohy ny tantara, ka mandresy amin’ny tsy fahombiazana,… Ny fanatanterahana ny ambara fa programan’asa sy fampandrosoana toa tsy misy tokotaniny, kanefa dia mbola ho lany fotoana hamono afo politika. Asa anefa na iza tokoa no resy na iza no mpandresy ! Ny tsy azo lavina aloha hatreto, dia ny firenena Malagasy mihitsy no resy tanteraka hatreto.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT