Edito

Teny mampisavorovoro


  • Alarobia 02 Martsa 2011

Ny teny frantsay no teny nampiasaina sy nifanereserana tato anatin’ny dinika famahana ny krizy isiana mpanelanelana iraisam-pirenena eto.

Nofafan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita tao anaty lalàmpanorenana rahateo ny teny anglisy, izay anisan’ny tenim-pirenena fahatelo teto, ary teny fampiasa amin’ny diplaomasia iraisam-pirenena. Dia samy mibadabada amin’ity tenim-bazaha ity avokoa ny rehetra tato anatin’izao fikatsaham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy izao. Eo indrindra anefa no miseho ny olana, indrindra fa isaky ny miteny ingahy Leonardo Simao. Maro ny zava-boalazany, toa miovaova araka ny fotoana anefa izany ka eo no manalasala.

Tsy voafehiny ve ny teny frantsay ka tsy tafitany araka ny tokony ho izy ny zavatra tiany hambara ? Izy rahateo moa Mozambikanina ka ny teny portogey no manavanana azy kokoa na dia diplaomaty aza izy. Sa mazava ny zava-boalazany, amin’ny teny frantsay faran’izay tsotra, fa ny mpanao politika no mandika izay amin’izay itiavany azy avy ? Dia tsy mahagaga raha savorovoro no niafarany. Rehefa zohina dia ilay teny frantsay mihitsy no mampisavorovoro eto. Ka aiza ary ilay hoe hambom-pom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT