Edito

Teny filamatra mafonja


  • Sabotsy 25 Aogositra 2018

Mbola tsaroana etoana ny fanambaran’ny kandida iray nilaza tamin’ity herinandro ity hoe aoka izay ny kobaka am-bava sy ny rijan-teny tsara lahatra fa tsy ilaina.


Ny nahagaga anefa dia taorian’ny nilazany izay teniny izay ihany izy dia namerina ny rijan-teny ho filamany mandritr’izao vaninandrom-pifidianana izao. Efa narentirentiny tao amin’ny efitra nanaovany fanambarana ny maha kandida azy rahateo moa ilay izy. Ny tian-kambara dia mila teny filamatra mafonja hatrany ny olombelona na azy irery na hiarahany amin’ny mpiara-monina aminy entiny hitondrana ny fomba fitondrany ny fiainany raha te hahomby. Raha niteny ny filoham-pirenena iray teo aloha tamin’ny fotoan’androny hoe “Tonga miaraka dia fanombohana. Miasa miaraka no fahombiazana.” dia mipetraka ny fanontaniana ho an’ireo olom-pirenena efa niaina tamin’izany fotoana hoe taiza ho aiza no lesoka ? Sao dia niara-tonga fa tsy niasa niaraka hatramin’ny farany ? Raha niteny koa ny manaraka azy hoe “Ny fitiavana no lehibe indrindra.” dia mipetraka koa ny fanontaniana ankehitriny hoe niha nifankatia ve isika taorian’izay sa vao mainka mifankahala sy mifanambaka ? Maha te hampahatsiahy hatrany ny teny filamatra mafonja nampiasain’ny filoha amerikanina teo aloha izay hoe “ Mialoha ny hanontanianao hoe inona no tokony hataon’ny firenena amiko dia hanontanio aloha ny tenanao hoe inona no tokony hataoko amin’ny fireneko ?” Azo heverina fa izay teny filamatra mafonja tokana izay monja dia anisan’ny fanoitra goavana nahatonga ny vahoaka amerikanina ho lasa olom-pirenena tompon’andraikitra mandrak’ankehitriny ary maha firenena matanjaka azy amin’izao fotoana izao. Lainga raha tsy manana teny filamatra daholo ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 36 ireo. Mety ao ny mafonja. Mety ao ny tandrametaka. Fa ilaina sainina ihany koa anefa ny hoe ny an’iza no efa nezahina notanterahina fa tsy tanteraka noho ny tsy faharetantsika hanantateraka azy.

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT