Tena voahilika

Ireo niaraka nanongam-panjakana ny taona 2009


  • Zoma 08 Martsa 2024

ihany ankehitriny no tsikaritra ho mifanagadra ary tena misy mihatra

aman’aina mihitsy aza izany. Iza tokoa moa, ohatra, no tsy nahalala ny toerana sy tsikera nataon’izany Rolly Mercia na Laurent Rahajason izany tamin’ny fitondrana Ravalomanana ny taona 2009. Toy izany koa ilay mpandraharaha natanjaka, Mbola Rajonah, izay mpanolontsaina manokan’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, nandritry ny fitondrana HVM. Ny HVM na Hery vaovao ho an’i Madagasikara moa dia antoko politika natsangan’ity filoham-pirenena teo aloha izay kandida natolotry ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, ihany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2013. Iny koa i Malama na Mahery Lanto Manandafy. Ny mpandraharaha izay mbola mpanolontsaina manokan’ny filoha Rajaonarimampianina, Andry Raobelina, koa dia ireny niaraha-nahita ireny ny nahazo ny fihariany. Ny tenany manokana mihitsy aza moa no niharana herisetra mivantana koa ary voatery notsaboina tany ivelany mihitsy. Efa mpanolontsaina manokan’ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, koa izy ny taona 2009. Io iaraha-mahita io koa ny mahazo ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, nanomboka ny taona 2022 no nankaty. Asa hoe iza indray no manaraka fa dia io efa hita miseho ho lany io aloha ny ady an-trano isan-karazany eo amin’ireo samy mpanaradia ny mpitondra sy ireo anaty fitondrana mihitsy. Ny fitondrana miady an-trano, hono, efa ho rava saingy ny hizaka ny vokany atsy ho atsy koa anefa, raha sanatria ho tanteraka tokoa izany, dia iaraha-mahalala fa ny vahoaka malagasy hatrany. Tsy mbola nisy faharavana fitondrana tsy niteraka krizy teto ary krizy niha lalina hatrany. Ny samy mpitondra sy ny mpiaradia aminy akaiky hatramin’izay no mety mifanilika ankehitriny saingy ny vahoaka malagasy aloha dia io tena voahilika tanteraka io raha tsy hamintina fotsiny amin’ny resaka delestazy, lalana potika, fako misavovona, tsy fandriampahalemana sy vidim-piainana midangana ary tsy fisian’asa isika.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT