Tena tsy mora ny fanovàna!

Fomba fitenintsika mihitsy moa ny hoe


  • Talata 06 Janoary 2026

Sarotra ny miala amin’ny mahazatra!».

Misy koa ilay hoe «Ny tanana zatra mitsotra tsy afa-mivonkona intsony!». Ohatra fanaontsika daholo izany miaraka amin’ny hoe «Zatra ny lalan-dririnina ka manao hintsin-dalana andro fahavaratra!». Nentin’Ny teo aloha na Ntaolo nilazàna daholo izany rehetra izany fa efa tandra vadin-koditr’io malagasy io mihitsy ilay tsy fitiavana miala amin’ny mahazatra azy na fintinina amin’ny hoe miova. Araka izany, tena tsy mora ny fanovàna andrasantsika nanomboka ny 25 septambra 2025 no ho mankaty io ary izay angamba no anton’ilay hoe andeha fanavaozana aloha no isantarana azy, araka ny anaran’ny fitondràm-panjakàna ankehitriny moa izany. Manao ny heveriny rehetra fa azo atao iadiana amin’ny antsoina hoe «tsimatimanota» io ny fitondràna mijoro. Ao ny mahita fa tsy ankitsitsy ny fisamboràna atsy, fanadihadiana aroa. Ao ny mampirisika hoe «Alefa!». Ao ny eo anivon’ny fanoherana ilay fitondràna miezaka mitady ny fomba rehetra hiampangàna ilay fitondràna ho manao valifaty politika fa tsy resaka fampiharana lalàna velively. Izay rahateo moa no maha mpanohitra azy ireo ka tsy atao mahagaga fa ny tiana ho avoitra aloha izany ao anatin’izay rehetra izay, na tiantsika na tsy tiantsika, dia heverina ary irariana, raha ny marimarina kokoa, fa isan’ny lalana mankany amin’ny tena fanovàna tanteraka ity firenena ity ho tonga firenena mendrika amin’ny hiantsoana azy hoe «firenena» tokoa anie izany rehetra izany! Ho henoina sy tazanim-potsiny tokoa aza ve ny fitarainan’ireo mpampianatra sy mpanabe nitabataba hatrany isaky ny nahazo minisitra vaovao tao anatin’ireny fitondràna Rajoelina ireny? Samy nahatsiaro, raha samy mpanara-baovao, fa tsy ny raharaha «Bonbon sucette» ihany no nampitomany ireo mpanomana ny hoavin’ny firenena ireo fa na ny resaka fanomezana toerana samihafa na ny resaka tambin-karama sy karama na ny fandraisana ho mpampianatra raikitra sy ny maro hafa tsy voatanisa dia nampikaikaika azy ireo avokoa na iza na iza minisitra nandalo tao amin’io minisiteran’ny fanabeazam-pirenena io tao anatin’izay 7 taona izay. Toy izany koa ny raharaha volamena niova vy tao anatina biraona minisitra notantanana praiminisitra. Ny fanondranana harem-pirenena tamin’ny fomba tsy mazàva maro koa isany. Tao ny sokatra, ny gidro, ny harenan-dranomasina. Io mbola miteraka savorovoro hatramin’izao io koa izao ny resaka fasimainty sy nosy samihafa, ankoatran’ny resaka nosy manodidina iadiana amin’ny frantsay. Ho tazanim-potsiny daholo kosa ary ve na dia atao hoe mafy aza ny tsindry iraisampirenena? Lava ny lisitra raha mbola ho tanisaina fa inoana hoe hatreo dia efa azon’ny rehetra an-tsaina tokoa hoe tena tsy mora ny fanovàna!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT