Edito

Tena tsy milamina !


  • Talata 14 Jona 2016

Tsy maniry loza fa mampanahy ihany ny momba ny fitandroana ny filaminana amin’ny fetim-pirenena 25 sy 26 jona ho avy izao taorian’ireny zava-nitranga teny Antsonjombe sy Analamahitsy ny alahady hariva teo ireny.


Isan’andro dia toy ny fanampin-tsakafo ny mandre jiolahy niharan’ny fitsaram-bahoaka na matin’ny mpitandro filaminana. Maro ny fokontany na an-drenivohitra na ambanivohitra voatery manetsika isak’alina ny andrimasom-pokonolona satria efa tena mirongatra ny asan-jiolahy. Tsy matahotra intsony ireo olon-dratsy fa na andro antoandro be nanahary izao aza dia manendaka sy maka fananan’olona imasom-bahoaka. Maro ny hetsika nataon’ny mpitandro ny filaminana, ireo karazana opération isan-tsokajiny saingy manao ny ataony hatrany ny jiolahy. Azo itarafana ny gaboraraka sy ny kolikoly misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana koa anefa ity tranga ity. Firifiry tokoa moa ny jiolahy raindahany tratra, kanefa avy eo hita miriaria eny an-tsena ihany. Ny sasany aza migadra any Tsiafahy mandrapahafaty kanefa avy eo re fa mbola nanao “opération” taty ivelany indray. Tsy maintsy misavorovoro ny aty ambany rehefa tsy mahay mandamina ny ao ambony.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT