Edito

Tena tsy mahazaka firenena !


  • Alarobia 28 Jolay 2021

Sasatry ny mamaha krizy ny Fanjakana ankehitriny. Ny eo tsy miravona, ny eo misosoka ihany! Tamin’ity Fitondrana ity angamba no betsaka indrindra ny toe-javatra mamohehitra na kisampontsampona miseho.

 Na zavatra foronina hanodinana saim-bahoaka, na aferam-panjakana vaky bantsilana, na mpitondra ambony mamohehitra,… dia saika miseho eto hatrany, ary mbola tsy hita tao anatin’ny 60 taona ny ankamaroany. Marina fa misy ny zavatra hakana doka sy ventesina andro aman’alina ho fampandrosoana, toy ny resaka fotodrafitrasa, saingy ny tondro rehetra no mena, maneho fa tsy mahazaka firenena. Tsy afaka ny hihambo ho nahavita be anefa ny Fanjakana Rajoelina amin’io, fa samy nanao avokoa izay nandalo teo ary nahavita betsaka noho izy ny ankamaroany. Mbola azo hanitarana adihevitra aza ny hoe: iza no nahay nijery kokoa ny laharam-pahamehana sy ny zavatra mahasoa kokoa ny vahoaka? Tsy handeha lavitra isika fa samy zavatra goavana, ohatra, ny kianja manara-penitra sy ny seranam-piaramanidina fa iza no mety hisy akony kokoa amin’ny toekarena? Any amin’ny lafiny toekarena sy ny sosialy no hitsarana ny mpitondra amin’ny fahaiza-mitantana, ary miteny ho azy ny tarehimarika avoakan’ny iraisam-pirenena, raha tsy hilaza afatsy ilay harin-karena faobe -4% tsy mbola nisy hatrizay. Eo ihany koa ny fahaiza-mandray andraikitra sy mamaha olana, ny fahaiza-mijery ny laharam-pahamehana,… Hatramin’izay aloha, isaky ny mandray fahefana ny Filoha ankehitriny, dia mampidi-kizo firenena hatrany. Ny ao anatiny aza misavoritaka ambony tsy voalamina ka amin’ny fomba ahoana no hahafehezana ny fitantanana an’I Madagasikara manontolo? Moa tsy olona niray petsapetsa amin’ny fitondrana avokoa ve hatreto ireo nosamborina voalaza fa mikasa hamono azy? Moa mirindra sy milamina ve ny fifandraisana eo amin’ny fahefana mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka? Moa tsy misy ny fifanasana vangy amin’ny olom-boatendry sy olom-boafidy? Moa tsy efa IRD na iray tarika aminy 90% na mba tsy ilazana fa 100% ve ny tompon’andraikitra ambony rehetra? Sakana amin’ny fahatanterahan’ny PEM, ny fampidinana ny vidim-piainana, ny firindran’ny fitantanana ny fanjakana,… ve ny fisian’ny mpanohitra? Manala Baraka tena raha mbola hanilika any amin’ny mpanohitra hatrany !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT