Edito

Tena tsy hatahotra ny masony ?


  • Alatsinainy 31 Janoary 2022

Ny valanaretina mbola tsy resy fa mandravarava hatrany, mbola ady mafy ny fiatrehana sy fanarenana ny fiantraikan’ny loza voajanahary, ny vidim-piainana midangana,…

 fa mbola manam-potoana hilàna kisa sy hananganam-pahavalo ilay Fanjakana. Mety nanana ny fahadisoany tokoa i Mahery Lanto Manandafy izay hiakatra fampanoavana anio, izay notorian’ny Fanjakana ho nanely vaovao tsy marina sy maniratsira fitondram-panjakana. Ampahafirin’ireo nanao ny tsy mety notazanim-potsiny moa ireny? Mba betsaka ihany ny fandikan-dalàna sy famoahana zavatra mamofady natao teto, eny fa hatramin’ny vava tsy ambina sy fitondran-tenan’ny manampahefana sasany aza no tafahoatra lavitra noho ity farany niafara any amin’ny fanenjehana. Sao mba tokony handinin-tena ihany koa ny Filoha eo anatrehan’ny fisiana sivily sahy manao azy tahaka ireny? Efa betsaka ny sosotra amin’izao. Sanatria miantso na maniry ny hitohizan’ny zavatra tsy mety, fa hita taratra ihany ny mizana tsiandrian’ila. Efa nifidy ny lohany ka tsy hatahotra ny masony ary ve izany ny Fitondrana maneho fa mafy sy matanjaka ka handetika hatramin’ny farany. Hampanarahana ny dian’ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra any am-ponja ity olona ity sa mba natao hisintonana ny sain’ny olona sy ho fampitahorana ny hafa fotsiny? Tena misy tombotsoa tsara ara-politika sa hanamafy ny endrika ratsy amin’ny maha Fanjakana jadona sy tsy refesi-mandidy? Mananontanona ny fifidianana, ary raha lanjaina ny fiantraikany tsara sy ny ratsy mety haterak’io ho an’ny Fitondrana Rajoelina, dia na izy aza mety ho tonga saina fa mandresy lavitra be ny vokatra miiba na ratsy. Tsy mba tonga saina ve ilay Fanjakana fa ny olona namono tena fandaniana azy aza ankehitriny sahy mijoro sy milaza fa tsy manjary sy tsy mamely, mpamotika firenena, mpanao kolikoly, hanjakan’ny fanondranana harem-pirenena,… ity Fanjakana ity. Na tiana na tsy tiana, ary mety manahirana ny firesahana ny resaka fihaviana, saingy raha zohiana amin’izao, mety ho ratsy ny fiaintraikany ho an’ny fitondrana amin’ny vato mety ho azony any amin’ny faritany nihavian’ilay olona henjehiny. Olon-tsotra iray tsy manana fahefana ofisialy, dia mampisavoritaka ilay Fanjakana ka lojika raha ambony ambany tahaka izao ny fitantanana firenena. Sao mba ny tamberin’ny fandaniam-bola tsy toko tsy forohana tany amin’ny Fivoriana momba ny fiovaovan’ny toetry ny andro na “COP 26” ohatra no tokony himasoana amin’izao voina mahazo ny firenena izao? Ilay orinasa mpanao “éthanol” any Ambilobe ve “hono” efa vita talohan’ny 8 desambra 2019? Ilay vahaolana 3 andro momba ny PPN ve “hono” efa tena tanteraka sy azo tsapain-tànana? Ary ilay orinasa mpanamboatra fiara Gascar ve “hono” efa nitsangana nialohan’ny 2021, ilay tanamasoandro hono ve tena misy vola hanaovana azy ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT