Mampieritreritra ihany ny fanambarana nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha nitafa tamina mpanao gazety maromaro teto an-drenivohitra tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ny tenany omaly.
Tena novakiany bantsilana mantsy fa maro be mihitsy ireo lainga sy famahanan-dalitra ny vahoaka ataon’ny FAT ka voalohany amin’ny mpanatanteraka izany Atoa Andry Rajoelina. Nanamafy ihany koa i Dada fa azo atao hoe mikatso ihany ny raharaha famahana ny krizy amin’izao fotoana ary avy any amin’ny FAT sy ny ekipany no antony mahatonga izany. Hentitra sy nasiaka andro vitsivitsy lasa izay Atoa Harry Laurent Rahajason minisitry ny serasera izay avy amin’ny mpanao gazety an-tsoratra nandritra ny taona maro sy mpanentana fandaharana tamin’ny radio nandritra ny krizy, raha nilaza fa hisy ny fepetra horaisina amin’ireo mpanao gazety sy orinasan-tserasera manaparitaka vaovao tsy marim-pototra na diso mihitsy. Mpanao gazety an-tsoratra malagasy iray tsy vahiny amin’ny mpanara-bavao moa no tena iantefan’io fampitandreman’ingahy minisitra io noho ny nilazany fa tsy maintsy mila enim-bolana mialoha ny fifidianana ny filohan’ny FAT ary tsy maintsy mody eto Madagasiraka i Marc Ravalomanana.
Raha ny fahazoana ny hevitry ny fitondrana tetezamita tokoa mantsy dia diso tanteraka izany vaovao izany, fa tsy nisy resaka izany mihitsy, hono, tany Gaborone ary niezaka ny tsy niteny na dia fehezanteny iray monja aza momba ny filoha teo aloha sy ny fepetra mihatra amin’ny filohan’ny tetezamita raha ho kandida izy Atoa Andry Nirina Rajoelina tamin’ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, na tany Gaborone izany na teto Madagasikara; ary na ny fampitam-baovao an-tsoratra na am-bava avy any amin’ny fiadidiana ny FAT aza dia hita fa notsorina sy natao mba hanome vahana ny fitondrana tetezamita ka haharesy lahatra ny maro fa efa neken’ny SADC ilay sori-dalana ary sonia sisa no andrasana. Eo no tena mahasarotra ity raharaha ity satria manana anjara toerana goavana amin’ny vanim-potoana andalovan’ny firenena amin’izao fotoana ny serasera sy ny fampitam-baovao.
Ny FAT moa amin’ny maha eo amin’ny fitondrana azy dia manana tombony amin’ny resaka serasera satria voafehiny ny haino aman-jerim-panjakana ary tsy vitsy ny gazety an-tsoratra sy haino aman-jery tsy miankina manohana azy mivantana na an-kolaka. Tsy eo amin’ny tontolo politika ihany no ahitana mpikarama an’ady fa ao amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny tontolon’ny serasera ihany koa, ary maro ny olon-tsotra no tezitra sy sosotra mihitsy amin’ny mpanao gazety noho izy ireo toa mandranitra ny andaniny sy ny ankilany ary mahasanganehana isan’andro ny fiarahamonina noho ny fifanipahan’ny vaovao avoaka na dia tranga iray mitovy izao ihany aza no taterina. Omaly dia nanamafy ny ahiahin’ny maro ny filoha teo aloha ka sahy nilaza fa mialokaloka ao ambadiky ny lainga tsara lahatra ny FAT ary maro be ireo zava-marina sy zava-misy tsy ambaran’i Andry Rajoelina amin’ny vahoaka Malagasy fa dia izay mahametimety azy ihany no lazainy. Ho hita eo ny tohin’ity raharaha ity satria na ny andaniny na ny ankilany dia samy tsy manaiky lembenana amin’io lafiny serasera io. Na eo aza ilay fitenenana hoe : ny fandio iray siny tsy maharesy ny fandoto iray tandroka, dia ny marina tsy mba maty ary tsy maintsy hipoitra eo ihany na ho ela na ho haingana, ary dia ho hitan’ny havany eo amin’izay ireo tranon-dainga tompon’ny fampandriana adrisa ny farany !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.