Edito

Tena sahy sa be resaka ?


  • Alakamisy 21 Janoary 2016

Tsy atao mahagaga raha tsy mandeha amin’izay laoniny ny fiainana sy ny raharaham-pirenena eto Madagasikara satria ny olona manana ny maha izy azy mihitsy no manao hadalana sy tompon’ny afera maizina.


 Efa hita iny ny mpanolotsain’ny filoha nitondra volabe nivoaka tany ivelany, izao mpitsara indray voarohirohy anatina raharaha fakana an-keriny. Mbola misy polisy sy mpandrahrahan’ny fonja koa, manao ny ataony koa ny mpiasan’ny fadintseranana. Tsy vao izao fa efa hatry ny ela no nandrenesana fa misy olona ambony tafiditra ao anatin’ny aferana boaderozy sy ny asan-dahalo. Tena andrasan’ny maro ny momba ity fitsarana ny fakana an-keriny azy mianadahy tany Toamasina ity satria maro be ny olona voasaringotra ao anatin’io, misy antony lehibe matoa niditra an-tsehatra ny prezidansa. Fa ny manitikitika ny saina dia hoe : hampivoaka tokoa ny marina ve izany sa sanatria natao fotsiny mba hiarovana olona indray ? Malaza be mantsy fa be resaka fotsiny izao fanjakana HVM izao fa raha ny tena marina dia malemy sy kanosa, tsy sahy manapa-kevitra satria miankin-doha…na izany aza anefa heverina fa olon-dehibe mba manana ny hazon-damosiny ihany ny filoham-pirenena ka tsy hamela ny olom-bitsy hamotika ny fitondrany sy hanala baraka azy ary mety hitarika ny fandrodanana azy mihitsy aza.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT