Edito

Tena sahy marina ve ?


  • Alarobia 22 Jona 2016

Ny nitokanana ilay vondron-tafika manokana tany Mahabo no ela dia io fa mandripak’olona indray ny dahalo any amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny.


 Mpitandro ny filaminana sy olon-tsotra nandeha taksibrosy no lasibatra ary tena nivonona ny hamono mihitsy ireo malaso fa tsy resaka hoe fanakanan-dalana fotsiny. Tena maika ny fanamafisana ny ady amin’ireto olon-dratsy mampihorohoro ireto. Mila fahavononana sy fahasahiana ary finiavana politika goavana avy amin’ny mpitondra izy io, satria misy koa ny dahalo ambony latabatra anie e ! Eo foana no mampikatso ny raharaha satria mahazo vaovao ara-potoana ny dahalo any anaty akata ka afaka manomana paikady hifanandriany amin’ny miaramila avy eo. Mila fantarina sy samborina avy hatrany ireo dahalo ambony latabatra mpaniraka, mpanome vola sy fitaovana ary mpanome vaovao ireo, fa rehefa tsy izay no atao dia resa-be ny ady amin’ny asan-dahalo eto. Tsy hoe mangalatra omby ataony laoka na haingon-tanàna ny dahalo any atsimo, fa manao izany asa izany satria misy olona manondrana omby mankany ivelany eto, ary misy koa ny omby halatra mitobaka eny amin’ny tsena isan’andro eny. Ho zava-poana ny ady atao raha tsy sahy mikitika ireo deba mpaniraka ny manampahefana, tahaka ny raharaha boaderozy ihany io, ny irakiraka saofera sy mpitatitra entana no migadra fa ny sefo lehibe milamin-tsaina manao vakansy mitety izao tontolo izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT