Aorian’ny fivorian’ny SADC any Luanda renivohitr’i Angola, izay hanomboka anio, vao mety ho fantatra ny daty hiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, ny fomba hanatanterahana izany ary ireo fepetra rehetra tsy maintsy raisina.
Izy rahateo efa nanamafy fa ny SADC no hanome io daty io. Raha ny re avy any Afrika any tokoa mantsy dia io fiverenan’ny filoha teo aloha io no tena miteraka adihevitra, eny fa eo amin’ny samy mpanelanelana aza. Misy rahateo ny mampiely vaovao maro be manakana ny fanatanterahana izany fiverenan’i Dada izany. Voalazan’ny resaka miainga avy any Afrika avy any koa fa misy fikambanana iraisam-pirenena sy firenena mitady ny hevitra rehetra hanakanana ny fiverenan’ingahy Ravalomanana eto Madagasikara satria tsy mety amin-dry zareo, hono, ny miara-miasa amin’iny rangahy iny no sady tsy ilaina amin’ny hamahana ny krizy izany intsony ny filoha efa niongana. Izay ny ritsoka avy any ivelany, fa raha araka ny angom-baovao sy ny fanadihadiana natao teto an-toerana dia misy koa ireo vondron’olona ahitana mpitondra ambony, mpanao politika, mpandraharaha, miaramila mitady ny fomba rehetra hanakanana ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto.
Ny mampitovy azy rehetra ireo dia samy mahazo tombontsoa mihoapampana amin’izao endri-pitondrana misy izao izy ireo, ary nankahala tanteraka ny filoha teo aloha. Fa araka ny tsiliantsofina re dia misy amin’ireo niara-niasa akaiky tamin’Atoa Marc Ravalomanana fony izy Ben’ny tanàna sy filoham-pirenena ihany koa no tsy marisika intsony ny hiverenany eto, ary na tsy misehoseho aza ireny olona ireny dia miasa mangina any ambadika any mba hanakanana ny hiverenan-dRamose ary dia misy amin’izy ireo mihitsy no manampy ny FAT amin’ny fikarohana dosie hanatevenana ny fanamelohana an’Atoa Ravalomanana eo amin’ny fitsarana. Nanova zavatra maro teto ity filoha teo aloha ity ary sahy niteny sy nanitsy ny tsy nety tamin’ny sehatr’asa rehetra, hentitra koa izy tamin’ny fampiharana ny lalàna, ary tsy nanaiky hohararaotin’ny vahiny izany, fa na miara-miasa samy mahazo tombontsoa, na tsy miara-miasa. Maro no tsy nankasitraka io politikan’ny fanovana nentin-dRamose io satria nanohitontohina ny tombontsoana mpandraharaha sy fianakaviana mpanefoefo nanao ampihimamba ny fihariana teto sy zatra nahazo tombontsoa tamin’ny fiarahana tamin’ny mpanjanatany fahiny izany. Tena nijoro niaro ny fananan’ny Malagasy sy ny fiandrianam-pirenena i Marc Ravalomanana na dia tsy tena nazava tamin’ny olona aza ny nanatanterahany izany. Fa izao, iaraha-mahita fa anjakan’ny Sinoa sy ny Karana ary Frantsay ny eto amintsika, na ny varotra PPN io, na ny fanangonam-bokatra, na ny fanafarana entana avy any ivelany, sy ny karazana fandraharahana hahazoam-bola be. Mifaninana manorina trano mijoalajoala izy ireo ary tena mety tsara ny afera satria efa tsy eo intsony Ramose ary tsara fanahy aok’izany ilay nisolo azy ary azo resahana sy hifanarahana tsara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.