Edito

Tena mpanangana sa mody manangana ?


  • Talata 30 Aprily 2019

Ny soa fianatra, hoy ny fomba fitenintsika Malagasy izay. Miezaka mafy mandova ny vitan’ny fanjakana teo alohany ny filoha ankehitriny.

 

 

Alaina tahaka hatramin’ny fomba fiteny sy firesak’ilay naongana folo taona lasa izay. Tena hampiseho ihany koa fa manana hambom-po sy te hanao zavatra, raha tarafina amin’ny endriny ivelany. Iza tokoa moa no tsy ho faly raha misy zavatra atao sy mitsangana ary sitrahan’ny vahoaka manontolo eo. Tsikaritra anefa hatreto fa ny natomboky ny hafa no taingenana sy japiana. Tsy menatra mandainga sy mamahan-dalitra vahoaka,fa tsy mba misy mihitsy fahatsorana sy fahitsiana ka mifamahofaho ny sain’ny rehetra. Tena mpanangana sa mody mpanangana ? Tsy fahotana anie no mitsotra ny marina e ! Ny zavatra lazaina sy ambara dia tsara avokoa fa ny fomba fanatanterahana azy tsy mahomby satria tsy tafapaka any amin’izy ireo ilay “mahay, mahalala, mahavita” na miezaka maka tahaka mafy aza. Efa tsara ny fahatsapana sy ny famerenana ilay laharam-pahamehana notevaivaina tany amin’ny 10 taona lasa, toy ny lalana, sekoly, hopitaly,... Lafin-javatra iray goavana ihany koa ilay resaka herinaratra izay voalaza fa anisan’ny nanonganana ny filoha iray tamin’izany ny fikatsahana hanafatra solika mivantana, izay nanelingelina ny tombontsoan’ireo mpifehy azy mandrak’androany, ary fantatra tsara ireo natao fitaovana tamin’izany. Raha ny vidin-jiro indray, nanana ambim-bava ny orinasa Jirama talohan’ny 2009, ary nahavita nanao fanadiovana sy nanana politikam-pirenena momba ny angovo 2005-2020 ny fanjakana. Tonga ny gaboraraka ary natao tantely afa-drakotra ny Jirama taorian’ny 2009. Nalaza ny resaka fakana volabe 4 Miliara ariary voalaza fa nataona mpandraharaha fanta-daza nanana andraikitra ambony, ary mbola akaiky ny filoha ankehitriny. Ny tena loza dia natao tahaka ny vary mora ny Jiro tamin’izany, ka nampidinina ny vidiny hakana ny fon’ny olona, toy ny menaka mora sy vary mora taorian’ny fanonganam-panjakana ihany. Indrisy, fa ny fitantanana anefa niha goragora, ka zary lasa fangoronan-karena ny orinasam-panjakana samihafa. Raha hanao fitsirihana lalina ara-bola amin’ny Jirama sy tokony hatao amin’ny orinasam-panjakana samihafa, ka tena hamoaka ny mangarahara tokoa, dia havereno hatrany am-piandohana fa tsy ny tao anatin’ny 5 taona ihany dia ho hita eo izay tena namotika teto hotsarain’ny tantara e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT