Tsy manao sinema fa tena namadika ireo mpanao politika avy ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana ka niditra ao anatin’ny governemantan’ny FAT, araka ny nambaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha nitafa tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tamin’ireo mpanara-dia azy tany Tolagnaro ny tenany ny faran’ny herinandro teo.
Maro be tokoa mantsy ny resaka mivoaka etsy sy eroa taorian’ny nidiran-dry Rakotoarison Yves Aimé na i Mémé sy ny tariny tao amin’ny governemanta Vital. Tao no nilaza fa tetiky ny ankolafy Ravalomanana ihany io, eo koa no nanambara fa nahazo tso-drano tany ambadimbadika tany tamin’ny filoha teo aloha izy ireo satria tsy maintsy misabaka rehefa manao politika, indrindra fa rehefa anaty krizy, eo koa anefa no nanamafy fa tsy nanan-tsafidy izy ireo, fa na miditra ao anatin’ny FAT na miditra any am-ponja. Izao vao mazava ny toe-draharaha fa tena mpamadika ry Raharinaivo Andrianatoandro, Yves Aimé Rakotoarison, Bary Rafatrolaza, Ngolo Gilbert, Vyvato Rakotovao, Dr Hery Raharisaina, Rina Andriamandavy VII … ary tsy hahazo avara-patana intsony amin’i Dada izay hentitra rehefa manapa-kevitra ary tsy tia olona mivadibadi-dela fa na eny, na tsia.
Tonga eo amin’ny tsotsori-mamba isarahana izany eto ny ankolafy Ravalomanana sy ireo izay namadika palitao satria tsy mampandroso fa tena mampihemotra io fivadibadihana io. Izay no mahatonga ny FAT tsy mety tafavoaka tahaka izao, hafa ny ambara anio, zavatra hafa no atao rahampitso dia tahaka izany hatrany. Marina sy mitombina mihitsy ilay filazana fa nahitana zavatra maro, indrindra fa amin’ny toetran’olona, izao krizy izao. Misy ny tena mijoro amin’ny foto-keviny hatramin’ny farany na ahoana na ahoana fitrangany, fa ao kosa ireo tsy mahari-pery ka vao sendra olana sy fandrahonana dia mivadika. Ny mpanao politika rahateo moa eto amintsika dia matim-bola sy voninahitra ka tsy mahalala menatra izany intsony fa izay hihinanana ihany aloha ! Fomba fitenin’izy ireo ny hoe : miharitra kely ny vavan’olona fotsiny fa ny Malagasy vetivety ihany dia manadino.
Ny manahirana amin’ity raharaha ity dia mba natokisan’ny olona ihany ireto namadika palitao ireto satria hita fa manan-katokona amin’ny resaka politika ary nantenaina fa ho fitaratra amin’ny fanarahan-dalàna sy ny fijoroana amin’ny maha izy azy, saingy indrisy fa mitovy amin’ireo mpanao politika maro be tsy mahazaka olona fa manao izay fomba rehetra hahazoana toerana fotsiny ihany hay ! Izay ilay fanaovana politika eto Madagasikara, vitsy no tena mijoro hatramin’ny farany amin’ny heviny fa ny lamaody dia miovaova antoko isaky ny fitondrana. Maro be izao ny olon’ny TGV no TIM sy AREMA ary UNDD teo aloha. Antony iray goavana mampikatso ny raharaham-pirenena io toe-tsain’ny mpanao politika io, ary ilana fanovana goavana. Tsy mpamadika fa olona tena tia tanindrazana ary miasa ho an’ny tanindrazana no ilain’ny firenena. Tsy vita mora izany fa mila faharetana sy fihafiana, koa raha tsy mbola matanja-tsaina afaka miatrika izany, fa mivadika rehefa sahirankirana na ampitahorina fa hogadraina dia … aza manao politika sy be kabary fotsiny e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.