Edito

Tena misy fahadiovam-po ve ?


  • Talata 21 Jona 2022

Nafana ary niavaka ny hetsika ara-pivavahana, fiderana sy antsam-panahy goavana teto an-dRenivohitra ny faran’ny herinandro teo.

Nanovo aim-panahy vaovao izany ny mpanatrika, indrindra fa ireo Mpitondra Fanjakana. Mazava ho azy fa raha vao miresaka finoana sy fivavahana, dia tafiditra ao ny resaka fifankatiavana, famelan-keloka, fahadiovam-po,… Asa rahoviana vao tena ho tanteraka ara-bakiteny eto amin’ny tany sy ny firenena izany ? Samy mivavaka sy miditra am-piangonana avokoa na ireo mpitondra na ny mpanohitra. Tsy natao hitsarana na hanakianana na iza na iza fa raha ny zava-misy aloha, toa mitady haneho fa mifanohitra amin’izany ny sary hita sy miharihary. “Tiava ny fahavalonao tahaka ny tenanao” hoy ny tenin’ny soratra masina, saingy ny miseho eto dia hoe: henjeho, poteho, gadrao izay manelingelina ny seza fiandriananao. Aza mangalatra, aza mandainga,… hoy ny ampahany voalaza ao anatin’ny didy folo, kanefa inona ny halatra sy kolikoly tsy miseho eto, indrindra fa amin’ny fitantanana raharaham-panjakana. Ny vahoaka no andriamanjaka ao anatin’ny fenitry ny demokrasia, saingy ny antsika ny vahoaka toa natao holaingana sy hanaovana fampanantenana poakaty lava, hatao tohatra fiakarana hahazoana seza,… Toa tombony ho an’ny mpanao politika ny manana vahoaka azo hambakaina sy hararaotina amin’ny fahantrany sy ny fahasahiranany. Sanatrian’ny vava misy misaotra ny ao Ambony mihitsy hoe: misaotra anao fa nomenao vahoaka azo ambakaina. Sambatra ihany tokoa ny mpitondra fa manana vahoaka hendry, azo lalaovina amin’ny fampandihindihizana sy ny fampisehoana dia very dia, azo tambazana sy vidiam-bola na fanomezana kely dia milamina ny latsa-bato,… Ny mihomehy lavo aza anefa, hono, misy tsininy ka sao tsy ho zaka ny todin’ny fanambakana sy ny fanararaotana ny fahasahiranan’ny vahoaka tsy manam-pidiny e ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT