Isaky ny misy tolona na hetsi-bahoaka na koa savorovoro politika eto amintsika dia misy foana ny zavatra sy fananam-bahoaka simba.
Efa fahita maneran-tany ihany moa izy io, saingy ny teto Madagasikara kosa dia misy ny zavatra tena nanamarika sy nanamaloka ny tantara. Teo, ohatra, ny tamin'ny 1972 ny nahamay ny Lapan'ny tanàna teo Analakely. Efa mba mijoro moa izy io ankehitriny. 16 taona lasa kosa izay, izany hoe tamin'ny 6 novambra 1995 no nahamay ny Rova eny Manjakamiadana. Potika tanteraka ireo trano fipetrahana sy fiasana ary ny fasan'ny mpanjaka niampy ny Fiangonana tao Anatirova tamin'io loza io. Araka ny fanadihadiana natao moa dia fanahy niniana natao izy iny fa tsy hoe noho ny “court-circuit” na pitik'afo avy amin'ny saribao teo an-tokotanin'olona tsy akory. Efa nisy ny fisamborana sy fitsarana ary fanagadrana olona 20 mahery eo, saingy samy mahafantatra tsara ny tsirairay fa irakiraka ihany ireny midoboka any am-ponja ireny fa mbola miriaria tsara any ny atidoha nikotrika ny fandorana ny Rovan'i Manjakamiadana.
Ireo izay mahalala tantara tsara dia nahatadidy fa iny tranga nampalahelo iny no anisan'ny nanamora ny firodanan'ny fitondran'ny profesora Zafy Albert ary saika nandrehitra ny adim-poko teto. Roa taona taorian'ny nahamay ny rova dia voafidy ho filoham-pirenena indray ny amiraly Didier Ratsiraka rehefa avy nialokaloka tany Frantsa nandritra ny efa-taona. Inona marina no tao ambadik'iny fandorana ny rova iny ? Iza no tena nahazo tombontsoa taminy ? Samy mbola miandry ny hivoahan'ny marina momba iny raharaha iny ny rehetra satria anisan'ireo “dosie goavana” tena mahaliana ny maro izy iny. Ny fitondrana Ravalomanana moa dia nifantoka tamin'ny asa fanarenana ny rova fa tsy dia nanadihady intsony ny antony nahamay azy. Vita eo amin'ny 40 isan-jato ny asa fanarenana ny rova ankehitriny, tara ny tetiandro noho ny krizy nanomboka tamin'ny 2009 satria raha ny tokony ho izy dia vita tanteraka amin'ny 2012 ny asa rehetra izay mitentim-bidy 25 miliara ariary. Maro be ihany koa ny zavatra simba sy may tamin'ny 2009 raha tena nahery vaika ny savorovoro politika ka singanina amin'ireny ny nandrobana sy nanimbana ny foiben-toeran’ny RNM sy TVM eny Anosy ka nahapotehan'ireo horonam-peo sy horonantsary notahirizina tao efa ho am-polony taona maro ary vavolombelon'ny tantaran'ity firenena ity. Dia tena mahagaga ilay fitiavana hamotika sy hanimba zava-tsarobidy tahaka ireo notanisaina teo ireo ! Izany ve no hanaporofoana fa nisy tolona na hoe ilazana fa tezitra amin'ny mpitondra ? Ny mpampirisika efa maty eritreritra, ireo mpanatanteraka koa dia asa na efa very fanahy mbola velona na jamban'ny inona fa dia mankafy mamotika ny harem-pirenena. Toe-tsaina io ary tena mila fanovana raha te hiarina !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.