Edito

Tena mihevotrevotra e !


  • Alakamisy 21 Aprily 2016

Nosoratana teto amin’ny Tia Tanindrazana ny 25 janoary 2016 fa roa taona nihevotrevotra fotsiny fa tsy nahavita asa mivaingana araka ny nampanantenainy sy araka ny nandrasan’ny vahoaka Malagasy ny filoha Hery Rajaonarimampianina.


Lasa fomba fiteny etsy sy eroa izao io « mihevotrevotra » io, ny filoha rahateo matetika manao fihetsika toa manaporofo izany. Efa-bolana ihany ity no lasa tamin’ny 2016 fa tsy hita izay famatsiam-bola azo, mbola ao anatin’ny « Annexe B » ihany ny Air Madagascar, miverina indray ny grevy isan-tsokajiny : mpianatra, mpampianatra, mpiraki-draharaha, mpandraharaha ny fonja. Zavatra efa nitranga hatramin’ny tetezamita anefa izy io fa dia tsy mbola nahitan’ny mpitondra vahaolana ihany fa lalaovina eo. Lasan-ko vavany fotsiny ilay fandaharanasan’ny fitondram-panjakana PND, hany herin’ny fitondrana HVM dia mivavaka mafy mba hotanterahana eto ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia fa hiteraka asa, hono, io no sady hahavitana fotodrafitrasa maro tahaka ny lalana sy trano be manara-penitra. Fa rehefa vita ilay fivoriana dia inona no hitranga ? Hifandrombaka hividy ny trano ireo mpanambola dia omby mijery flôra fotsiny ny Malagasy tsotso-piaina. Ary raha tsy nisy fivorian’ny frabnkôfônia moa izany dia inona no nataon’ny fitondrana ? Toa manantena fahagagana, miankina amin’ny kisendrasendra sy ny famindram-pon’ny hafa fotsiny ireo mpitondra antsika fa tsy manana paikady mazava hitantanana sy hanarenana ny firenena. Ny afera maizina amin’izany mandeha be eto fa dia tsy misy tratra ny deba e ! Saofera sy irakiraka no aseho gazety isaky ny mihetsika dia ambara fa jiolahy, fa ireo mpaniraka matavy hatoka sady mitsotsotra any ambadimbadika any.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT