Edito

Tena miantraika any am-bilany io !


  • Alarobia 13 Jolay 2022

Tsy fotoanan’ny fifanomezan-tsiny na ny fifamendrofendroana intsony tokoa izao, fa fotoana natao hiatrehana sy hitadiavam-bahaolana manoloana ny fahasahiranana mandifotr’olona miseho ankehitriny.

Teny efa nambaran’ny Filoha ankehitriny sy ny ekipany io rehefa nahazo tsiny tamin’ny vahoaka momba ny goragora nahatafidiran’ny coronavirus teto tamin’ny martsa 2020 io. Ekena ary tsy azo lavina izany satria tsy mahavaha olana ny fifanomezan-tsiny. Na izany aza, fotoana natao hisaintsainana sy hakana lesona izao, indrindra fa amin’ny ara-politika. Tsy natao hialokalofana amin’ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fandetehana an-davaka ny firenena ny filazana fa tsy tokony hifanome tsiny. Matoa nomena fahafehana na nanao izay fomba rehetra handrombahana an’io, dia tokony hahay hampiasa an’io ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka sy ny firenena, fa tsy sanatria hameno paosy sy kitapo amin’ny afera maizina tsy hita pesimpesenina. Tsy misy hilàna mpitondra Fanjakana raha ho mpialokaloka ao ambadiky ny olana sy hitady izay hanilihana ny rindrina foana, ka ny fanabadoana vahoaka amin’ny alalan’ny filalaovana serasera sisa misongadina. Fotoana hitarafana hoe: hatraiza ny fara-fahaizan’ny mpitondra firenena amin’ny fiatrehana sy fahamahana ny olam-bahoaka? Olona tahaka ny inona no tokony hofidiana hitantana ny firenena indray satria efa miha atomotra ihany koa ny fifidianana? Fanapepoana sy fiantsoana ny olona hiraviraviray tànana tsy handray andraikitra amin’ny maha olom-pirenena ny fivoizana fa tsy miankina amin’ny mpitondra ny vary harotsaka any am-bilany fa noho ny ezaky ny tsirairay. Mety hisy fahamarinany amin’ny ampahany izany, saingy mifandray ny zava-drehetra. Na io vary vidianao io aza mety tsy ho voavidinao sy tsy ho tonga any am-bilaninao rehefa Fanjakana tsy mahay mitantana sy tsy mametraka ho laharam-pahamehana ny soa ho an’ny vahoaka sy ny firenena no eo. Miharihary izany ankehitriny! Fotoana izao hakana lesona tsy ho sodokan’ny ronono an-tavy, mamirapirapiratra, fampanantenana manaka-danitra, fa mba hahay hijery sy handinika hoe: inona amin’ny ambaran’ireo mpanao politika no hahasoa kokoa ny firenena? Iza no mety tena hahavita ary iza no mety hamahan-dalitra fotsiny?
oky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT