Edito

Tena mahantra


  • Alakamisy 01 Jona 2023

Mamono miadana toy ny homamiadana ankehitriny ity fahantran-dRamalagasy ity. Tena mahantra isika ary maro no heverina fa fomba azo hanazavana azy saingy toy ny tongom-bakivaky moa izy ity,

hoy ilay fomba fiteny izay, ka sady marary no maha menatra. Manomboka any amin’ny mpitondra, mandalo amin’ireo mpanao politika maro ka hatraty amin’ny vahoaka naniry mba hanana mpitantana hitondra azy ireo ho any amin’ny tena fampandrosoana sy fisandratana tena izy ho an’ity firenena ity amin’izay dia samy mahantra avokoa. Rehefa tsy mahantra ara-bola dia mahantra ara-tsaina. Tsy manana saina afa-tsy ny hamerina ny tsy nety teo amin’ny tantara. Oviana tsy nisy fifanarahana politika nokonokononona tany ambadika tany teo ambany fitarihana vahiny moa teto? Iny indray izao omaly dia nisy fisamborana olona tsy hay hoe naninona sa dia tena entina hampihorohoroana ny sain’ireo vahoaka mody lazaina lalandava fa tompon’ny fahefana fotsiny tsotra izao? Nahatonga an’ilay Madagasikara ho lasa lohalaharana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ve izao ny toy ireny? Ny tsy nitazona ny teny nomeny hatramin’izay dia mbola nijanona ho izany ary lasa manana mpandova aza ankehitriny, hoy ny mpandala ny maha malagasy iray izay naneho ny heviny ho fanamarihana izao iray volan’ny teny malagasy izao. Vao 5 taona monja teo izay no lasa, nilazana mpitarika fidinana an-dalambe fahiny iray fa zo fototra ny fidinana an-dalambe. Ankehitriny anefa dia gaga ianao, hoy ilay fiteniny sy ny namany tamin’izany, fa dia lasa mpanohitra fatratra izany fidinana an-dalambe izany ilay tomponandraikitra. Tena mahantra isika ary ahiana mbola hiha mahantra!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT