Miezaka mafy amin’ny fanaratsiana sy fandetehana ny filoha Marc Ravalomanana indray amin’izao fotoana ireo mpomba an’i Andry Rajoelina sy ny tetezamita tarihany. Nivoaka tampotampoka an-gazety tamin’ity herinandro ity ny momba ny fananan’ity filoha teo aloha ity; ny groupe Tiko moa no tiana hambara amin’izany. Raha fintinina ny resaka dia nambara fa harena azo avy amin’ny tsy rariny sy ny fanaparam-pahefana no nataon’ny fianakaviana Ravalomanana teto nandritra ny fito taona. Tsy tongatonga ho azy fa manana tanjona mazava izao serasera miendrika fanaratsiana ity filoha voafidim-bahoaka ity izao. Miha mahoraka indray mantsy fa ho avy eto Madagasikara Atoa Ravalomanana ary toy ny efa manaiky io fiverenany io ny sehatra iraisam-pirenena ka tsy hitsivalana amin’izany.
Mety hanampy azy aza ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny SADC, raha ilaina izany. Nahomby, araka izany, ny fitetezana ireo firenena goavana ao amin’ity vondrona ity izay nataom’ny Ankolafy telo. Efa niezaka ny hanohitra izany ihany ny FAT araka ny fantatra, saingy tsy mahovoka firy noho ny fiziriziriana ny hanakana ny fiverenan’i Dada eto. Ho an’ny mpanelanelana vahiny tokoa mantsy dia tsy tokony ho olana ny hiverenan’ingahy Ravalomanana eto ka hanatrehany ny fivorian’ireo filohan’ankolafy izay azo antoka fa hanafaingana ny famahana krizy. Diso paikady ny ekipan’i Andry Rajoelina raha toa ka mbola handany andro hitanisa ny vola sy harenan-dRavalomanana satria tsy izany izao no laharampahamehana, ary raha misy ny mampiahiahy tamin’ny nataony fony izy nitondra firenena dia ambaratongam-pitsarana hafa no tokony hitsara azy. Fa raha ny fitsarana amin’ny endriny ankehitriny aloha dia mampiahiahy ihany ny tsy fitongilanany amin’ny FAT.
Raha ny hoe vola mipetraka amin’ny banky any ivelany indray dia tsy Atoa Ravalomanana no Malagasy voalohany nanao izany, ary misy ny rafitra azo arahana tsara hangatahan’ny fitondrana tetezamita ny fampikatsoana izany kaonty izany raha voaporofo marina fa vola maloto na volam-bahoaka no mitahiry ao. Somary nanadino kely ihany koa ireo mpanakiana sy miahiahy ny haren’ity filoha teo aloha ity fa tsy i Marc Ravalomanana mihitsy no teratany Malagasy manankarena indrindra fa olona sy fianakaviana hafa, izay tsy dia tena hoe mazava tsara akory ny fidiram-bolany sy ny zavatra ataony. Tsara ho fantatra ihany koa fa maro be ny mpanao politika sy olona ambony eto amintsika no nanokatra kaonty amin’ny banky any ivelany any, indrindra fa any Azia any tato anatin’ny roa taona izao. Ka nahoana moa no tsy hanaovana fanadihadiana ihany koa izy ireny, satria tena maro amin’izy ireo no tsy manana orinasa iray akory kanefa dia manam-bola an-tapitrisany «euros». Tena mahagaga an !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.