Edito

Tena izy sa sinema ?


  • Alatsinainy 23 Jolay 2012

Zary efa nahazatra nandritra izao tetezamita izao ny fikononkononana fanonganam-panjakana, na fanonganam-panjakana mihitsy.

 Efa tsy dia manaitra ny olona intsony koa ireo miaramila mikomy, na maka lakazerina. RAS Ampahibe, FIGN teny Fort Duchesne ary BANI Ivato no tena malaza amin’izany savorovoro sy sahotaka ara-miaramila izany matetika. Omaly vao maraina dia niparitaka be ny vaovao fa misy fifampitifirana eny Ivato, tao koa no nilaza fa fanonganam-panjakana ilay izy, ary efa misy ny andiana miaramila mivonona ny haka fahefana. Eny fa na dia hatrany am-piangonana aza dia niteraka resabe ity tranga teny Ivato ity. Samy manana ny fahitany azy moa ny tsirairay. Ao ny mahita fa tena misy tokoa ny andiana miaramila te haka fahefana, misy koa ny olona sasany milaza fa misy miaramila sosotra amin’izao tetezamita izao ka nampiseho ny fahatezerany amin’izay fa tsy hilefitra intsony. Misy manombantombana ihany koa fa misy ny mpanao politika ao ambadiky ny andiana miaramila sasany ka mandrisika sy manome vola azy ireo mba hanakorontana ny firenena tsotra izao.

Fa tsy vitsy ihany koa anefa ny olona, mahalala tsara ny zava-nisy tato anatin’ny telo taona, no mihevitra fa sao lahy ka sinema indray io mitranga eny Ivato io ? Isaky ny misy zavatra hitranga manodidina ny famahana ny krizy mantsy, dia misy zavatra sampontsampona mitranga foana. Ary ny tena nanaitra dia ilay hoe foana daholo aloha, ny sidina amin’ny fiaramanidina rehetra eny Ivato, izany hoe tsy misy ny olona afaka mivoaka na miditra an’i Madagasikara aloha mandritra ny fotoana tsy voafetra.

Midika izany fa tsy afaka ny ho any amin’ny nosy Seychelles ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, izay tokony ho nanainga omaly na anio alatsinainy. Mety ho foana ho azy izany ilay fihaonana eo amin’ny roa tonta. Efa azon’ny maro an-tsaina ihany ny hahazo tombontsoa amin’izany ! Tsy i Marc Ravalomanana te hody eto Madagasikara mihitsy aloha. Fa na ahoana na ahoana antony dia manaporofo hatrany ny tsy filaminana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ity tranga teny Ivato ity ary azo hanambarana fa misy zavatra maro manjavozavo eto. Na tena izy io na sinema dia samy loza ho an’ny firenena satria sakana amin’ny famahana ny krizy. Isaky ny mba misy dingana vita amin’ny famahana ny krizy dia tsy maintsy misy foana ny tranga hafahafa tahaka izao ! 

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT