Hafa noho ny nitranga teny Fort Duchesne tamin’ny 20 mey 2010 ny zava-misy eny Ivato. Tamin’io daty io mantsy dia tsy niandry ela fa ny tolakandro ihany dia niroso tamin’ny fanafihana ny FIGN ny Emmo-Reg na dia nisy vahoaka maro be aza tao anatin’ny toby. Ankehitriny anefa dia hafa dia hafa mihitsy ny zavatra mitranga, ary na dia nanao fanambarana hentitra aza ny praiministra Camille Vital dia tsy arakarak’izay ny fidonany, fa mbola mandeha foana ny fifampiraharahana, ary araka ny tsiliantsofina re dia ny fitondrana tetezamita no nangataka fihaonana.
Araka ny resaka mandeha ihany koa dia tsy misy sahy manome ny baiko amin’ny hanafihana ny tobin’ny BANI sy ny RFI eny Ivato ireo tomponandraikitra ambony ao amin’ny foloalindahy ka mety ho noho izay ihany koa no tsy maintsy nirosoan’ny fitondrana tetezamita amin’ny fifampiraharahana. Tsy mora anefa ny handresy lahatra ireo manamboninahitra sy ny miaramila miara-dia aminy izay mitaky tsotra izao ny fandravana ny FAT, ary ny mahasarotra ny raharaha ho an’ny mpitondra tetezamita dia mitombo ireo vondron’olona amin’ny sehatr’asa isan-karazany manatona sy mifampiresaka amin’ireto manamboninahitra eny Ivato ireto. Efa nisy ny mpitsara niresaka tamin’izy ireo nandritra ny ora roa, omaly. Re ihany koa fa mety hanara-dia izany ny administratera sivily sy ireo sendika ary fikambanana maro samihafa eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Efa nitombo hadiry ny hetsiky ny Komity Miaramila ho an’ny Fanavotam-pirenena fa tsy fikomiana azo tapenam-bava ao anatin’ny ora vitsy araka ny fiheveran’ny sasany azy.
Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra araka ny fomba fiteny ny FAT amin’izao fotoana, ka mipenipenina etsy sy eroa mitady hevitra hamahana ny olana. Efa lalim-paka anefa ny ratra ka tsy vitan’ny safosafo sy ny teny mamy intsony. Hita ho tena tapa-kevitra ireo manamboninahitra mitoby eny Ivato ary matoa izy ireo sahy miseho vahoaka sy manao fanambarana hentitra tahaka ireny dia efa manana ny ampy no sady sahy misedra ny vokany rehetra ry zareo. Manoloana ity hetsika ity moa dia mba velom-panantenana ihany koa ny vahoaka izay reraky ny tsindry hazo lena sy ny tsy rariny ka niezaka nampiseho ny fahavononany hifanome tanana amin’ireo rehetra tena mijoro hiaro ny tanindrazana marina. Hafa tanteraka, hoy ny mpanao politika iray ny zava-mitranga amin’izao fotoana fa tsy sinema tahaka ny teny amin’ny FIGN. Izao vao tena hanomboka ny fananganana ny tetezamita tena izy hifanarahan’ny ankolafy rehetra. Tsy maintsy nijoro ny foloalindahy, hoy ihany izy rehefa nahatsapa fa andranandrana fotsiny no natao teto nandritra ny 18 volana fa tsy nisy fikarohana ny paik’ady mahomby hivoahana amin’ny krizy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.