Edito

Tena gidraka sa sarin’ady ?


  • Sabotsy 20 Mey 2017

Mpanolotsain’ny filoham-pirenena miisa roa no nesorina tao anatin’ny roa herinandro, raha ny vaovao mivoaka amin’izao fotoana izao. Sarimihetsika sa inona indray ny antony fa raha ny re aloha dia voalaza fa niray tsikombakomba tamin’i Claudine Razaimamonjy sy namporisika ny resaka fitsipaham-pitokisana ny governemanta no antony nandakana azy ireo.


 Inona ihany no tian’ny mpitondra fanjakana hatao fa toa mamoaka mampiditra lava eto ? Sady miaro ve izany no mandetika ity mpanolotsaina iray efa rem-poko rem-pirenena tamin’ny kolikoly avo lenta ity. Te hampiseho fa olo-marina kanefa miady amin’ny fampanjakana ny tsy maty manota, ka tonga amin’ilay teny vahiny izay nohagasiana hoe kiboribory vetaveta ny zavamisy. Ny azo heverina aloha izao dia mipatitaka ny fanjakana Rajaonarimampianina ary efa tena miseho masoandro ny ady an-trano ao an-dapa ao. Eny fa na ny etsy Ambohitsorohitra sy ny eny Mahazoarivo aza dia efa re mifanipaka sy mifandako saingy mbola tsy tena miseho masoandro moa izany na dia efa manomboka mivoaka tsikelikely aza ny tandindonin’ny zavatra hiseho atsy ho atsy. Rivotra hafa mihitsy no re fa hitsoaka amin’io herinandro higadona io, izay heverina rivotra hamaky sy mety handrendrika ny sambon’ny fanjakana Rajaonarimampianina, izay ambaran’ny rehetra ho manda tehezan’ny fampanjakana ny kolikoly sy ny tsimatimanota eto Madagasikara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT