“Ny ohatra dia miainga avy any ambony foana”, hoy ny fomba fitenintsika izay. Mila mipetraka ho filamatry ny rehetra ny mpitondra fanjakana raha te ho to teny sy hananan’ny vahoaka fitokisana.
Tsy izay kosa ny an’ny mpitondra sy ny kandidam-panjakana eto amintsika raha dinihina ny zava-misy amin’izao fifidianana izao. Miseholany ny fihoaram-pefy satria akaiky sy tohanan’ny filoha, hany ka ny kandidan’ny IRD no mitondra miaramila roapolo mahery mandrahona ny olona tany Ambatoboeny. Mivoaka hatramin’ny vava fa raha tsy lany dia hoesorin’izy mianakavy any ny miaramila ka aleo hoviravirain’ny jiolahy sy ny dahalo ny vahoaka, hoy ny fampitam-baovao. Any Andranomanelatra dia misy ny fanesorana sefom-pokontany noho ny tsy fanohanana ny kandidan’ny IRD. Ny eto Antananarivo, dia misy ny kandida tena mampiasa tsotr’izao ny sarin-dRajoelina, ka toa tonga amin’ilay fomba fiteny hoe: “ratsy tarehy mangata-bady, ka ny anaran-dray no enti-mangataka”. Ny any Toamasina dia misy kandidam-panjakana malaza ho nandroaka ny varin’ny Biraom-pirenena misahana ny loza voajanahary,… Ampahany ihany ireny fa maro ny toe-javatra mamohehatra. Tahaka izany ve no mendrika ho mpitondra sy hisolotena ny vahoaka ? Tena fitaratry ny rehetra sa mpampiana-dratsy sy toa efa manao fanjakan’i Baroa ? Hatramin’izao, tsy mbola nisy fanazavana mafonja ny momba ireo fitaovam-piadiana, toy ireo fiara sy basy naseho tetsy Mahamasina ny 19 janoary. Tsy efa tena fiainana “Mafia” sy jiolahy iraisam-pirenena ve ny fahafahan’ny sivily manafatra fitaovam-piadiana ? Ny tanana efa zatra mitsotra tokoa tsy azo havokona intsony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.