Nibaribary indray ny tsy fahamatoran’ireo mpanao politika miara-miasa amin’ny filohan’ny tetezamita.
Ny faran’ny herinandro teo mantsy dia nanambara ny mpikambana iray ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny antoko TGV fa ny fitondrana tetezamita, hono no nanafatra ireo manampahaizan’ny SADC momba ny lalàna ho avy eto. Iray andro taorian’io fotsiny dia nilaza indray ny TGV tamin’ny alalan’ny mpikambana Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady mpandrindra nasionalin’ny antoko, Lanto Rakotomavo fa tsy dia ilaina, hono, ny hahatongavana manampahaizana avy amin’ny SADC eto, satria mahavita azy ny Malagasy. Nanamafy kosa i Andry Rajoelina ny alatsinainy lasa teo fa tena ny tetezamita tarihany mihitsy no niantso an’ireto ekipan’ny SADC ireto mba ho avy eto Madagasikara, hanara-maso ny fanatanterahana ny tondrozotra sy ny famolavolana ilay resaka famotsoran-keloka.
Fanina ny iray tanàna. Inona no tena marina e ? Efa ho telo taona teo amin’ny fitantanana ny firenena ve, dia tsy mbola matotra ara-politika ihany, ireo miara-dia amin’i Andry Rajoelina fa miteny izay tiany hotenenina ? Mazàna dia mifanohitra amin’ny ambaran’ny filohan’ny tetezamita no ambaran’izy ireo. Izany ve no milaza fa antoko lehibe sy matanjaka ary handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ho avy eo ? Tsy hotenenina eto intsony ny fanaparam-pahefana sy tsindry bokotra ataon’ireo olon’ny TGV any amin’ny Faritra, ka tena mahatezitra ny tomponandraiki-panjakana maro. Tsy dia mahagaga raha mandroso mihemotra ny fanapahan-kevitr’i Andry Rajoelina satria marefo dia marefo ny fototra politika ananany, ary oloa mbola miana-draharaha ny ankamaroan’ireo mpanao politika, ambara fa tanora miara-dia aminy.
Ny mampanahy amin’ity resaka ity fotsiny, dia sao lahy, sanatria, ka sinema tahaka ny efa fanao tao anatin’ny telo taona indray izy ity. Ka andaniny, i Andry Rajoelina mody milaza fa ny tondrozotra ihany no vahaolana, ary tsy maintsy miara-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena isika, ankilany kosa anefa mikopaka afo tsimoramora mba handravana io tondrozotra io ihany, ireo olon’ny FAT tsy te hiditra amin’izany fiaraha-mitantana izany, ary tsy hanaiky mandrakizay ny hanaovana famotsoran-keloka sy hamelana malalaka ny sesitany, hiverina eto. Mety tsy tena domelina 100% na bado tanteraka, izy ireo fa mody fanina, ka tanjona ny fandravana ny tondrozotra, rehefa tsy mahazo tombontsoa betsaka avy ao. Raha sanatria, ka izay marina ny zava-misy dia antenaina fa tsy tafiditra anatin’ny vela-pandriky ny FAT tahaka ny nahazo an-dry Chissano sy Simao, i Marius Fransman fa tena hijoro tokoa amin’ny maha mpanelanelana azy, ka handamina sy hikaroka hatrany ny marimaritra iraisana hampiharana manontolo ny tondrozotra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.