Edito

Telo taona no izy


  • Sabotsy 29 Oktobra 2016

Veloma amin’izay ry delestazy lavareny raha hahomby ity tetikasa famatsiana herinaratra amin’ny alalan’ny solika mavesatra hiarahan’ny fanjakana Malagasy amina sehatra tsy miankina mpamokatra angovo nosoniavina tamin’ny herinandro ity.

Io ihany koa no mety hahafahana manamarina fa nisolifatra ny vavan’ny filoham-pirenena raha nilaza tamin’ny nandray fahefana fa telo volana dia hivaha ny olan’ny fahatapahan-jiro lavareny. Ezaka kely fotsiny dia afaka hilaza izy fa nisy fifandisoana ny voalazany teo aloha fa telo taona no izy. Inona intsony moa no andrasana ankoatra ny fanatanterahana ny tetikasa izay efa vita fanandramana ? Tsy hilaozan’izay tsy hampiahiahy anefa ny tetikasa goavambe tahaka itony. Amerikanina no lehiben’ny orinasa tompon’ilay vina ary dia nilaza izy fa miandrandra mba hatao maharitra eo amin’ny fitondrana izy ireo sy ny fiaraha-miasa. Mifono hevi-dehibe ilay fehezanteny kanefa ny hirariana dia ny hoe mba hitondra vokatsoa ho an’ny firenena tokoa fa tsy sanatrian’izany fitaka vao mainka mety… hahavoa.   

Faralahimatoa  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT