Edito

Tehirizina ho valalabemandry


  • Alarobia 28 Desambra 2022

Isika malagasy moa efa ela no voalaza fa tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny atsasa-manila.

Raha ny lazan’ny fitotongan’ny fanabeazana teto Madagasikara tao anatin’izay 4 taona izay aza dia ahiana fatratra ny hoe tena efa mihoatra lavitra izany tarehimarika izany. Tsy mitombona intsony ny filazana fa tezaina ho valalabemandry ny vahoaka malagasy satria efa izany ary mbola izany izy hatramin’izao ary tena efa tehirizina ho valalabemandry mihitsy angamba mba hisian’ny fifandimbiasan’ireo tsy mahay afa-tsy ny “mampirevy” vahoaka satria tsy manana tena vinam-pampandrosoana mitombona ho an’ity firenena ity. Toy ny zary lasa fampisehoan-kery na “démonstration” hatramin’ny resaka finoana sy fivavahana. Ekena tokoa angamba hoe nandia fety Kristianina dia ny Krismasy isika vao tsy ela akory izay saingy ny mahagaga dia mahay miara-Kristianina ny mpanao politika rehefa tonga ny fety Kristianina ary samy miara-mandrety serasera mifandraika amin’izany. Misy tonga any Israely. Misy mizara fanomezana eny amin’ny Akamasoa. Mahay miara-Miozolimanina rehefa tonga ny fety Miozolomanina ary samy mandretirenty serasera mifandraika amin’izany koa. Misy sahy milaza amin’izay finoana vangiany rehetra mihitsy aza moa ny sasany fa zanak’ilay finoana dia toy izany koa rehefa mitety faritra. Izay lalovana rehetra dia lazaina fa lehibe tao amin’ilay toerana. Ny hoe nahalatsahan’ny tavony aloha, iny efa tsy azo hihodivirana ny fahamarinany fa ny ankoatran’izay kosa angamba mbola azo iadian-kevitra. Rehefa misy afo ahiana hirehitra dia tsy ela koa ny famonoana afo na dia vahaolana vonjitavanandro ihany aza, hoy ilay mpanao politika iray izay. Isan’ny nampametra-panontaniana, ohatra, omaly ny fanomezana alalana hivarotra ireo mpivarotra amoron-dalana. Noho ilay siontsioka teny Analakely ve dia mody “ampirevena” aloha ireo madinika atahorana hitroatra satria diso fanantenana? Isan’ny fanontaniana mipetraka izany saingy mahalasa saina koa hoe dia toy izany foana ve izany no mba karazana politika hitaizana sy efa hitehirizana ity malagasy ity. Iza amin’ireo mpanao politika marobe, indrindra, mandindona te ho filoham-pirenena ireo, izany no mba hitondra ny tena atao hoe politikam-pampandrosoana marina eto ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT