Serasera sy ny Kolontsaina rehefa nanolotra mariboninahitra ho an’ny
mpanakanto iray nametraka dian-tanana lehibe ho an’ny Firenena. Tsy ny mpanakanto no nametrahan’ny olona fahasosorana nandritra iny fotoan-dehibe tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina iny, tsy dia asiana resaka politika ny momba azy, zava-dehibe ny dian-tanany tamin’ny lafiny kolontsaina sy zava-kanto, ary mendrika ho azy ny mariboninahitra, ka tsy izy no olana. Porofon’ny fitiavana sy fankafizan’ny Malagasy azy ny fahafenoan’ny kianja. Andaniny kosa, tehamaina mivaivay ho an’ny Fitondram-panjakana ny horakoraka nasehon’ny vahoaka, teo am-panolorana ilay mariboninahitra amin’ny anaran’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Filoham-pirenena Malagasy, kanefa ireny no nitranga. Endrika iray nanehoan’ny olona ny tsy fankasitrahany ny Fitondram-panjakana ka tao anatin’ny fotoana tsy tokony hanehoana izany aza, dia nasehon’ny olona ankarihary. Endrika iray maneho ny fahateren’ny fahafahana maneho hevitra an-karihary ny tsy fankatoavana intsony ny zava-misy ankehitriny, tsy tena misy demokrasia, voageja ireo sehatra fanehoana fahatezerana,… Ireny no alehany rehefa tafahoatra ny jadona, hany ka ka tany amin’ny fihorakorahana tsy fankasitrahana ny olom-panjakana no nisehoany. Tofoky ny fitantanana mamohehitra sy ny politika tsy manjary ny rehetra, ary mety noraisiny ho filalaovana politika na « récupération politique » ataon’ny mpitondra ny nahitana olom-panjakana tao. Mety nararaotin’ireo vahoaka tsotr’izao nanehoana, fa tsy mankasitraka intsony ny fitondrana na ekena aza fa tao anaty vanim-potoana ara-kolontsaina fa tsy ara-politika no nisehoany, izay tsy azo hamaivanina. Raha tena mpitondra mandinin-tena tokony ho tonga saina amin’ireny, saingy ny eto moa tsy misy afatsy fanadiovan-tena sy fanandratan-tena, fa tsy mba hanana fanetren-tena mihitsy. Mety hanao randran-tarihina sy ho laza fanao any amin’ny hetsika faobe samihafa mahavory vahoaka io, ka ho tratry ny siotsioka sy horakoraka ny mpitondra sy solontenam-panjakana, mba hampahafantaran’ny olona fa leo sy tofoka amin’ny zava-misy. Ankehitriny mantsy raha mikasa hidina an-dalambe izay nolazaina fa « zo fototra fahiny », dia efa mipetraka sy voasoratra any an-dapa ny vesatra : hetsika tsy nahazoana alalana, fanohintohinana ny filaminana anatin’ny Firenena, fikasana hanongam-panjakana,… fa amin’ireny izy tsara, ary manako tsara hoe : leo, tofoka, te hanova,… ny Malagasy, saingy rahonana amin’ny fisamborana sy ny basy ; matahotra fitsarana sy famonjana. Dia any amin’ny horakoraka sy siotsioka indray izany no làlana e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.