Edito

Te hihavana sa te hiadana ?


  • Zoma 28 Oktobra 2016

Horesahina matetika ato ho ato indray ny resaka fampihavanam-pirenena. Maro amin’ireo mpanao politika no efa mifoha amin’ny torimasony ka mijoro hihavana amin’ny rehetra.

Ny mpanohitra sy ny mpitondra, ny nanongana sy niongana, ny manana seza sy ny tsy manana, ny voafidim-bahoaka sy ny tsy voafidy sy ny maro hafa tsy mitovy sata sy tsy mitovy anjara toerana no kendrena hampihavanina. Ny zavatra tsapa amin’ny resaka fampihavanana eto amintsika dia resa-politika ihany no tena himasoana fa izay fiainam-bahoaka azo hampandeferina ary efa tena miova ny hevitry ny hoe “fampihavanana”. Ny hevitry ny fampihavanana eto raha dinihina dia ny tsy manana fahefana te mba hanana ka miady amin’ny manana, izany hoe mila omena fahefana izy raha tiana hisy ny fihavanana. Ny tsy mpitondra mba te hitondra ka mila omena seza izy raha fihavanana no katsahina. Zary lasa fikatsahan-tombontsoa ny fampihavanam-pirenena ka tsy hisy zava-banona eto raha tsy hita izay tombontsoa izay. Efa tena mibirioka amin’ny tokony ho izy ny zava-misy satria ny hoe mihavana sy mamitram-pihavanana dia mila fanetren-tena sy fandeferana fa tsy fidinginan-drambo mba ho tombontsoan’ny tena. Aiza ho aiza ny tombontsoam-pirenena sy ny tombontsoam-bahoaka amin’izany ?

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT