Edito

Te hahafanina indray


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Amberivatry sy amontana, zahatra sy lakana, valala sy lolo, hatramin’ny sakay sy rony ary anjely sy devoly no toa hezahin’ny fitondrana ankehitriny ampivadiana sy hampiraisina zotra entina hanazavana ny tsy fandehanan-draharaham-pirenena amin’izay laoniny intsony tao anatin’ny efa-taona.

 Atao ahoana anefa ny hampifanara-doha ny be fanetren-tena sy difo-boninahitra ? Ny mpitrongy vao homana sy ny tsy mandray ravin-deno ? Ny mpandala fahamarinana sy zatra afera maizina ? Hafa ny nambara teo am-pianianana saingy hafa ny atao avy eo. Aiza no tsy hifanena amin’ny tody ankehitriny ka manaotao foana mampikatso famatsiam-bola ? Mbola resabe mandrakizao ary dia azo antoka indray aloha izany fa hahavery antsika amin’ity taona ity toy ny raharaha Claudine sy ny tariny iny vahiny voalaza ho nanao heloka bevava tafatsoaka sy nitoroka ny minisitry ny fitsarantsika ho nanao kolikoly iny. Ity farany izay manao toy ny tongobolo efa andro vitsy sisa dia ho feno 1 volana. Saika hanandrana hanome fanazavana ihany saingy noho ny hamaroan’ny mpanao gazety tonga hikaro-baovao ve no nampihemotra ? Ny haino aman-jerim-panjakana ihany, hono, no nasaina ka dia izay izany. Ny mahagaga dia toy ilay sarinteny maro teo hatrany, any amin’ny tsy mivonto no manaintaina satria dia ireo minisitra hafa indray no miezaka mitady fanazavana te hahafanina indray ny valalabemandry hilazana fa tsy nitandrevaka akory ny teto an-tanàna fa ilay vahiny no nahavita nanao sarimihetsika “RAMBO” vaovao ka fanina daholo ny rehetra. Ny minisitry ny fitsarana ve izany no te ho toy ny vatolampy taingenam-borona sa nanao mangina volamena ? Tsy azo ekena mihitsy ve hoe manaiky matoa tsy miteny ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT