Edito

Tazony amin’ny vavako aho !


  • Alakamisy 31 Aogositra 2017

Tena manahirana ny sofina mihaino sy ny maso mijery ny mbola mandre foana hatramin’izao hoe :


 maro amin’ny faritra misy eto Madagasikara no  tsy mahay manasa tanana sy mahalala fomba fidiovana. Tanjona apetrak’ireo mpanao fanentanana momba ny fahasalamana amin’ny kaominina iray, raha ny vaovao omaly, ny hanafoana ny fangerena ankalamanjana fa mirongatra be, hono, izany ao amin’ilay faritra ary tsy mbola resy lahatra amin’ny fanamboarana lavapiringa ny ankamaroan’ny olona. Ety an-drenivohitra aza moa hatramin’izao mbola hahitana toe-tsaina mirefarefa lavitra noho izany satria mba mety ho fanazavana ho an’nyany amin’ireo faritra ihany ny hoe : “Tsy fomban-drazanay” fa ny ety an-drenivohitra kosa angamba inoana fa tsy dia izay loatra no antony. Aiza ho aiza isika amin’ireo lazaina ho fivoarana tanisaina saika isan’andro kanefa zavatra efa tokony nilaozan’ny toetr’andro tahaka izany aza mbola tsy afaka eto hatramin’izao ? Azo inoana tokoa ve fa tsy miandry faran’ny taona akory, araka ny nolazain’ny praiminisitra dia ho voavaha ny olana fototra ary tsy efa hatramin’ny nandraisany fahefana ve moa izy no tsy niteny hoe : tazony amin’ny vavako aho ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT