Edito

Tazom-pahefana


  • Alakamisy 18 Oktobra 2012

Iray volana izay no dila taorian'ny fanambaran'ny ankolafy Ravalomanana, saingy mbola tafajanona ho minisitry ny fanapariaham-pahefana ihany Rtoa Ruffine Tsiranana ary miasa tsara isan'andro any amin'ny biraony, manatrika ny filankevitry ny governemanta sy ny minisitra, voaasa amin'ireo hetsika maro samihafa, manao fitetezam-paritra.

 Nambara moa fa ny antony hanoloana an-dRtoa Ruffine Tsiranana dia izy tsy matotra fomba fiasa ka mety hanalabaraka ny ankolafiny. Tsy midika izany fa voaroaka ao anatin'ny ankolafy Ravalomanana izy. Tsy nanaiky lembenana Rtoa minisitra sy ireo mpiara-dia aminy fa dia nampiaka-peo koa, ilay olona saika hasolo azy koa moa nanda. Voarain'ny filohan'ny tetezamita ny taratasy, saingy nosokajiany ho raharaha tsy dia maika angamba ka nampiriminy aloha. Atoa Marc Ravalomanana dia efa nilaza fa misy antony iny fanapahan-kevitra iny, ary tokony hanaja izany ny rehetra.

Tsy mety miala anefa i Ruffine Tsiranana ary hita fa vonona ny hiady hatramin'ny farany. Azo heverina ihany koa fa mety hataon'ny sasany fitaovana hanalefahana ny herin'ny ankolafy Ravalomanana ity tranga ity, ka raha tsy mitandrina amin'ny zavatra ataony ry Mamy Rakotoarivelo sy ny tariny dia mety ho tonga amin'ilay fomba fiteny hoe : namono biby tsy nahafaty fa ifoteran'ny rambony. Raha ny tokony ho izy dia mba mahay miresaka sy mifanaraka ny any anaty ankolafy any, fa tsy voatery aseho vahoaka ny tsy fitovian-kevitra. Tsy asa fitadiavam-bola mantsy no misy ao anatin'ny tetezamita fa asa fanasoavana ny tanindrazana. Vahaolana no tokony hoentin'ireo manampahefana fa tsy olana.

Tsy mahafaty ihany koa ny mangina na mandefitra ka mba mahalala tsy tiana fa tsy midongy fandokafana foana e ! Ny antoko TGV ihany koa dia mba tojo ity olana ity. Raha ny fahitana azy dia tsy manaiky lembenana ihany koa Rtoa Daniella Randrifeno minisitry ny harena ankibon'ny tany fa vonona ny hiady hatramin'ny farany, toy izany koa ny Monima amin’ny minisitry ny fanatanjahantena Botralahy Gérard. Vao mainka mampitombo ny fahasahiranana izany, ka asa raha mba mandini-tena ihany ireto mpitondra tetezamita ireto, na dia efa tratran'ny tazom-pahefana ka manita-tsaina e ! 

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT