Hazakazaka izany ! « Fa inona ary no maha maika ny filohan'ny tetezamita, no dia tsy miafina intsony ny fambaboana ny fon'ny mpifidy sy ny propagandy ? », hoy ny resaky ny olona,
Izy anefa tsy mbola nanambara tamin'ny fomba ofisialy ny maha kandida azy. Maro no mihevitra fa tsy adala akory i Andry Rajoelina ka mitety faritra sy manatitra fanomezana etsy sy eroa kanefa avy eo dia hanaiky hipetraka moramora eny Ambatobe rehefa vita ny tetezamita. Efa mba mahafantatra ny fomba fiasan'ny mpanao politika sy ny mpitondra teto ihany ny ankamaroan'ny olona, ka mahatakatra avy hatrany ny tian-kahatongavana vantany vao misy mpanao politika na manampahefana manolotra fanomezana, na mampanantena fa hanorina an'izatsy sy hanamboatra an'izaroa.
Ny tsikaritra dia herinandro mialoha ny hahatongavan'ny iraky ny SADC sy ny mety hodian'ny filoha teo aloha no mitranga izao fihetsiketsehana be ataon'ny filohan'ny tetezamita izao. Efa nialoha lalana azy ireo mpiara-miasa mahatoky ka nijery izay zava-misy sy ny filan'ny mponina, hany ka tena mifanojo amin'ny tadiavin'ny vahoaka mihitsy ny zavatra natao. Zavatra efa voaomana daholo ireny fa tsy kisendrasendra. Tsy mbola tena tafavoaka ny ala anefa ny filohan'ny tetezamita satria tsy mbola azo antoka tanteraka fa ho tavela any Afrika Atsimo araka ny hivavahan'ny sasany mafy i Marc Ravalomanana.
Hita koa izao fa manomboka miady irery i Andry Rajoelina satria maro ireo mpanao politika no efa niala taminy. Koa na atao aza hoe manana tombony noho ny maha filohan'ny tetezamita azy amin'ny propagandy mialoha ny fotoana izy, dia mety ho sarotsarotra aminy ihany, ny handresy moramora foana an'izany hoe Roland Ratsiraka, Monja Roindefo, Pierrot Rajaonarivelo, Lahiniriko Jean any amin'ny fifidianana satria zokiny ara-taona sy teo amin'ny fanaovana politika daholo ireo ary efa manana fototra mafimafy kokoa noho ny TGV, izay hialokalofan'ny mpamadika palitao fotsiny ka tsy tena azo ianteherana. Rariny loatra, araka izany, raha mihazakazaka ingahy Rajoelina satria ho henjankenjana ihany ny ady amin'ity indray mitoraka ity fa tsy tahaka ny tamin'ny 2009, ireo akama fahiny koa efa maro no tsy atokisana intsony, ny mpifanandrina amin'ny tena koa anefa tsy hanaiky lembenana.
Mikarakara fatratra ny eto Antananarivo Renivohitra izay tena be mpifidy i Andry Rajoelina ka nanolotra 10 miliara Ariary ireo Fokontany 192. Nanaovany pi-maso sy nizarany fanomezana ny faritr'Itasy mba hamafana ny anaran-dRavalomanana. Mitohy ny fanohanany ny tanora Katolika, efa manao ny ainy tsy ho zavatra izy mambabo ny fon'ny mpanao fanatanjahantena. Tena maika e ! Mafy ihany ilay tratran'ny tazom-pahefana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.