Tazanina sisa!

Asa hoe hanao ahoana no hiafarany fa dia tazanina sisa izay ho tohiny izany,


  • Talata 06 Mey 2025

raha ny fahitàna ilay antsoina hoe lanjan-kabary, tao anatin’ireo valin-tenin’ny filoham-pirenena

tamin’ny tafa nataony ny alahady teo. Ny omaly tsy miova, hoy ireo fanehoan-kevitra. Tsy mbola any amin’ny Tanamasoandro izany aloha no hankalazàna ny fetim-pirenena. Tsy nisy vahaolana voalaza momba ny rano. Toy izany koa ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, io izao fa niakatra indray ny vidin-tsolika. Tsy nisy vahaolana voalaza momba ny fanatsaràna ny fiainan’ny mpiasa malagasy. Tsy nisy resaka ny mikasika ny karama. Ireo voarakitra tanatin’ilay ambara fa vina tany am-boalohany na IEM, izay tsy hay mazava intsony na nivadika ho PEM na PGE na Velirano na «Plan Marshall» na Drafitra Marshall, tsy hita hoe nanao ahoana? Firy isan-jato no vita ary vita araka ny drafitra nanaingana izany tokoa ve? Mbola tsy resahina akory ny hoe mipaka anaty vilanin’ny vahoaka ve izy ireny rehefa tanteraka ary toy izany koa ireo efa lazaina ho tanteraka? Manoloana ny zava-misy rehetra eto amin’ny firenena moa izany dia raha mahita ireo rafitra iraisampirenena samihafa fa firenena farany mahantra i Madagasikara, ny mpitondra malagasy kosa milaza fa tsy mahantra satria feno olona mpiantsena ireo tsena lehibe na «grande surface» ary feno tohamboivoy na «embouteillage» ny renivohitra. Tsy vitan’izany fa mbola sambatra koa, hoy ny filoham-pirenena, satria mihinana omby sy vary na dia tsy mihinana «fromage» sy «caviar» aza. Tsy ekena koa, hoy hatrany ny fitondràna malagasy, ny filazàna fa nihemotra ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety na dia nampiseho tarehimarika aza ny Reporter sans Frontière fa nitotongana sy very toerana miisa 56 be izao ary lasa faha 113 maneran-tany izany amin’izao fotoana izao. Tazanina sisa izay ho tohiny! Tazanina sisa!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT