Raha tsorina ny resaka dia afaka ary tsy hiverina any am-ponja intsony ireo sivily sy miaramila voarohirohy tamin’ny raharaha fanonganana governemanta nambara fa nokasaina ho natao tamin’ny herintaona
. Ny 28 aprily 2010 no nisy fisamborana voalohany ary mbola nitohy izany taty aoriana, ny tena nalaza dia ilay nitranga teny Ambohijanaka ka nahatratrarana vatan-dehilahy efa ho 17 ary nisy lietnà-kolonely iray. Ny faran’ny herinandro teo moa no nivoaka teny Anosy io didy io. Nahatsikaritra avy hatrany ireo maharaka tsara ny tontolo politika fa nifanandrify tamin’ny dian’ny filohan’ny tetezamita any New York hanatrika ny fivorian’ny ONU ilay izy, no sady nitranga herinandro taorian’ny nahavoasonia ilay sori-dalana. Tsy kisendrasendra io fa mety efa tafiditra tao amin’ny kajy politikan’ny FAT mba hanambarana indray fa efa nandray fepetra mitondra mankany amin’ny fitoniana izy ireo ary manaja ny zon’olombelona no sady fitsarana mahaleotena no misy eto Madagasikara. Amin’izay mantsy dia mety miova ny fijerin’ny sehatra iraisam-pirenena ny FAT ka mety hahatonga ny fikambanana na firenena vahiny sasany mihitsy hilaza fa efa tafaverina amin’ny ara-dalàna i Madagasikara ary efa miha hendry ny mpitondra.
Efa mandeha koa aza ny feo fa toa hoe mety hivoaka koa ireo voafonja noho ny raharaha BANI. Toa efa kajy politika ihany ireny didim-pitsarana mivoaka ireny ary natao indrindra mba hanatsara endrika ny tetezamita tarihin’i Andry Rajoelina sy hilazana fa efa mba nanao izay mety ny FAT, namoaka gadra politika sivily sy miaramila ka tsy tokony ho be fangataka intsony ny mpanohitra. Noho izany miha sarotra ihany ny momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay raha ny sitraky ny FAT dia mijanona mandrakizay any Afrika Atsimo. Izany no nofinofin’ny ankamaroan’ireo mpanara-dia an’i Andry Rajoelina ary tsy mipetra-potsiny izy ireo fa tena miasa sy mihetsiketsika etsy sy eroa mba hahatanteraka izany.
Tsy misy ny mpinamana na mpifahavalo mandrakizay izany eo amin’ny resaka politika saingy raha ny fahitana ny ankolafy Rajoelina sy Ravalomanana aloha dia ho sarotsarotra ihany ny hampihavana azy ireo, satria ny ao amin’ny lohany mihitsy no tsy mety mifanaraka. Maro ny mahita fa ho sarotra be ihany amin’Atoa Ravalomanana izany hoe ho afaka hiditra an-kalalahana eto Madagasikara ary tsy hohenjehin’ny fitsarana raha toa ka mbola ny olon’ny filohan’ny FAT no mitondra eto. Efa nilaza izany mazava izy ireo ary tsy mbola niova tamin’ny heviny mihitsy. Mety hahazo famotsoran-keloka avokoa na tena ho afaka madiodio mihitsy aza ireo rehetra voarohirohy nandritra ny krizy, fa ilay iraika lahy teo aloha ihany no ho tavela farany eo. Efa mety ho izay mihitsy angamba ny drafitra hatrany am-boalohany fa ambinambin-javatra ny sisa. Asa raha tena vahaolana hitondra fitoniana tokoa izany na tsia ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.