Edito

Tari-dalana


  • Alarobia 18 Janoary 2023

Maro tokoa izay tranga na resaka niitatra ho ivon-dresaky ny mpanara-baovao teto amin’ity firenena ity teny amin’ny tambazotran-tserasera sy haino aman-jery samihafa izay.

Hatramin’ny no mbola lakolosy naneno teto amin’ny firenena hatrany ny toriteny nentina mpitondra fivavahana iray teny Antsonjombe teny. Sambany tao anatin’ny 60 taona, izay moa ilay fomba fiteny malaza, izao no nisy hoe kabary tsy valiana nefa dia ny mpitondra teto amin’ny firenena mihitsy no namaly azy voalohany. Adihevitra teo ny hoe tsy tokony hampidirana resaka politika ny fivavahana na finoana. Ny amiraly, hono, tsy mba nampifangaro ireo tamin’ny fotoam-pitondrany. Dia nandroso be ve ity firenena ity tamin’izany sa tany no nanomboka ny fahantrany miha sesilany hatramin’izao? Mpanaradia amin’ny fitondrana ankehitriny koa anefa no nampahatsiahy fa tsy misy lalana mandrara ny mpitondra fivavahana tsy hanao politika ary maro ireo mpitondra fivavahana nanao izany teo amin’ny tantaran’I Madagasikara ary namaha ny krizy rehetra teto mihitsy aza. Tokony ny mpitondra fivavahana mihitsy, hoy izy, no hiara-hiasa voalohany amin’ny mpitondra amin’ny fanabeazana ny olompirenena. Moa tsy politika rahateo daholo tokoa ve moa ny androatokon’ny tantara ao anaty baiboly? Ry Josefa natao praiminisitra tany Egipta. Politika izany. Ry Estera nilaza hoe “Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko?” Politika izany. Ny nitantanan’I Israely ireo fokony miisa 12 izay lasa firenena mihitsy izany Israely izany ankehitriny. Politika izany. Raha tsy hijery ankoatran’ny firenena Kristianina fotsiny koa aza isika fa vao niaraha-nahita farany nandritry ny tompondaka eran-tanin’ny baolina kitra teo ny famirapiratan’I Qatar. Tsy misy mahantra na iray aza ireo mponina Qatari miisa 300.000 eo ao ary safidy politikan-drizareo mihitsy ny ho firenena Miozolimanina, izany hoe tsy ny lalampanorenany fotsiny no mifototra amin’ny boky masiny dia ny Korany fa ny rafi-piarahamonina sy rafi-pitantanana any koa. Iarahantsika mahita koa ny fandrosoan-drizareo sinoa izay mbola mitana ny laharana faharoa hatrany eo amin’ny tanjaky ny toekarena eto amin’ity izao tontolo izao ity. Firenena Boudista izy. Angamba azo heverina ho tari-dalana nentin’ireo raiamandreny am-panahy ihany iny toriteny nalaza indrindra tao anatin’ny 60 taona iny mba handinihina ny tena tokony ho safidy politika hitantanana ity firenena ity fa tsy ho ambony tsy ambany tsy hita hoe laika marina ve sa tsia ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT