Edito

Tara taonjato


  • Talata 04 Aprily 2023

Mandeha tsy voizina toy ny lakan-jejo, hoy ny fitenenana izay, ny tsy fakana lesona tamin’ny tantara, raha ny mikasika ny fanatsarana ny tantaran’ity firenena ity no lazaina.

Azo lazaina koa hoe ny fanatsarana ny tantaram-pirenena. Efa hita tany aloha ny voka-dratsin’ny fisotasotana ny tontolon’ny fanaovan-gazety, ny fanaovana zinona ny demokrasia, ny tsy fihainoana ny feon’ireo olom-pirenena hafa ankoatran’ireo mpanaradia amin’ny fitondrana mijoro na koa hoe ny ankoatra an’ireo ao an-dapa. Mbola vao mainka miha mahery vaika anefa izany izao. Iny izao ny nanjo ny gazety an-tsoratra namana, izay novoizina fa tsy misy idiran’ny fanaovan-gazety moa no nanenjehana ny tale jeneraliny. Heno indray anefa omaly fa miely ny feo hoe tale miisa 5 hafa tao amin’izany gazety izany koa no kasaina ho samborina. Nogiazana ny fitaovana tokony nanaovan’ny mpanao gazety tao ny gazetiny dia aiza ho aiza ao anatin’izany rehetra izany tokoa moa no tsy tondro maneho tandindomin-doza ity isan’ny fanompoam-pirenena iray ity? Oviana moa teto no tsy nisy fiandrasana kendry tohana olompirenena, na mpanao gazety io na tsia, hoe sendra nanao teny kely nivilana dia nisy nanatavy iny avy eo dia ny niafarany nisy nanabontsina mihitsy dia avy eo tonga tany am-ponja ny nilaza na nampangaina ho nilaza ilay teny? Anaty vanim-potoam-pifidianana isika ankehitriny. Manomboka misoko ny fikasana rehetra mifandraika amin’izany sy ny fanehoan-kevitra samihafa hatramin’ny fitsidiham-paritra dia io fa amin’izao taonjato faha 21 izao fa mbola misy sakanana tsy hanao izany ihany fa ny mpitondra sy izay metimety aminy dia manao izay tiany hatrany. Tiana ho lovain’ireo taranaka hatramin’ny taonjato manaraka hoavy mihitsy ary ve izany fomba nilaozan’ny toetr’andro izany sa mihevitra ny tenany ho tara taonjato kosa ireo tomponandraikitra manapa-kevitra sasany ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT