Na ny olona nilaza azy fa mpitolona teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny 2009 aza izao dia efa kivy fa tsy hita akory izay fanovàna. Manampy izay toa miady an-trano sy tsy mifampatoky ireo mpitarika teny an-kianja tamin’izany fotoana.
I Hajo Andrianainarivelo, Harry Laurent Rahajason ary Christine Razanamahasoa no heverin’ny maro fa anisan’ireo minisitra tena akaiky ny filohan’ny tetezamita ka hoe hiara-dia aminy foana. Tsy misy mahafantatra izay zavatra ataon’ny minisitry ny fitsarana aloha hatreto fa raha ingahy isany praiminisitra lefitra sy ny minisitry ny serasera dia re fa efa manana ketrika hafa fa tsy hiantehitra amin’i Andry Rajoelina intsony. Midika zavatra betsaka ara-politika ny fanambarana filatsahan-kofidiana nataon’ny praiminisitra lefitra omaly teny Ankadinandriana, roa andro mialoha ny kongresin’ny TGV. Tsy zavatra natao maimaika io fa efa voaomana hatry ny ela, ary matoa sahy miroso i Hajo Andrianainarivelo dia sady manam-bola no manana ekipa, ary tsy olon-kafa no ekipany fa misy amin’ireo olona manodidina ny filohan’ny tetezamita ihany.
Tsy fantatra aloha izay fahagagana mety hataon’ny TGV fa raha ny fahitana azy izao aty am-piandohana izao dia ho sarotra ho an’ity antoko ity ny hahazo fitondrana amin’ny fifidianana ho avy eo sy ny hanomana ny mety hiverenan’i Andry Rajoelina indray eo amin’ny fitondrana amin’ny 2018, raha tsy hisy fanonganam-panjakana indray angaha. Vaky ao anatiny ny Tanora Malagasy Vonona sady tsy mahazaka ihany koa ny fifaninanana avy ety ivelany. Tsy azo eritreretina mihitsy mantsy ny hoe hahatohitra ireo antoko lehibe tahaka ny TIM, ny Arema, ny AVI amin’ny fifidianana solombavambahoaka na Ben’ny tanàna ny TGV. Tsy mahagaga raha manohitra amin’ny heriny rehetra ny fodian’ny filoha teo aloha an-tanindrazana i Andry Rajoelina sy ny ekipany sisa tavela, satria raha i Dada no tafiditra eto dia izay no vita fa mihodina tateraka ny kodiaran-tsarety. Fehiny dia tapitra hatreo ny nofinofy fa miaina amin’ny tena zava-misy amin’izay izao. Misy fetrany marina ny zava-drehetra e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.