Tapitra hatreto e !

Hatreo ny fanapahan-kevitra taitaitra,


  • Talata 11 Novambra 2025

raha fehezina ny votoatin'ny fanazavana

nomen'ny filoham-panjakana amin'izao fotoana izao mikasika ny fiatrehana sy famahana ireo olana misy eto amin'ny firenena ankehitriny. Sarinteny tena tafahoatra na hoe "figure exagéré" mihitsy moa no noraisiny nentina nilazana fa anatina toe-draharaha feno faharefoana tanteraka ny firenena amin'izao fotoana izao. Toy ny mamindra ambony atody mihitsy, hoy ny filazany azy izay. Raha heverina ara-bakiteny izany dia samy mahafantatra ny rehetra hoe tsy azo atao izany ny manitsaka an'ireo atody ireo mba tsy hahavaky izany ka tsy hitondrany soa ho an'ny fiarahamonina intsony. Azontsika sary an-tsaina fa mba hitandremana tsy hisian'ny fahapotehana dia mila mihazona tady avy eny ambony, ohatra, na manidina mihitsy, raha afaka manao an'izay izany hoe tsy maintsy mandeha ambony atody izany, raha tsy te hamotika ireo atody ireo. Izay no hamerenana hatrany hoe hatreo ny fanapahan-kevitra taitaitra fa mila fandinihana sy fisainana lalina ny atao rehetra rehefa hanapa-kevitra momba ity firenena ity manomboka eto. Tonga amin'ilay oha-pitenenana izay io hoe "Ny ratsy atao loza miantona, ny soa atao ilevenam-bola!". Tsy azo disoina ny fandray azy satria dia betsaka tamin'ireo heverina fa tsimatimanota teto amin'ity firenena ity izao no mety nihevitra fa nanao soa izy ireo matoa nahazo volabe, ny sasany amina miliara Dolara mihitsy, ka tsy hisy loza hanjo azy ireo intsony. Tsy izay anefa no tian'ny Ntaolo nahatongavana fa tsotra be mihitsy hoe tsy maintsy hivaly aminao izay nataonao. Karma no anarany any Inde. "Retour du manivelle", hoy ny frantsay. Tody kosa, hoy isika malagasy. Mba tsy ho sanatria, araka izany, ifoteran'ireo vahoaka heverina hoe "nitolona" farany teo ny fitondrana ankehitriny dia inoana sy antenaina fa isan'ny efa ezaka ireny fitsorana dien'izao ireny fa anatin'ny faharefoana tanteraka ny firenena io ka tsy maintsy am-pisainana tanteraka no tokony handraisana ny fanapahan-kevitra rehetra. Isan'izany ny fanapahan-kevitra mikasika ny herinaratra sy rano na ny olana manjo ny fampianarana sy ny resaka vidim-piainana amin'izao fotoana izao.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT