Edito

Tapim-bava avo lenta !


  • Sabotsy 25 Aprily 2020

Tsy nampitovy hevitra ny samy Malagasy ny mahakasika ilay tambavy ambara fanafodin’ny valanaretina coronavirus.

 

Zava-dehibe sy rehareha hatrany aloha ny mahalala sy mahafantatra fa ny sampam-pikarohana Malagasy no nahita azy? Ao ny momba ary misy ny tsy mankasitraka ny hisotro azy io. Na izany na tsy izany dia tokony hifanaja amin’ny safidiny fa tsy hifanerena, ary mila ialana ny baiko sy ny fanerena na mivantana na ankolaka. Toa nisy fitsimbadihan-drasa teto ka ny vondron’olona hatramin’ny manam-pahaizana sy mpikaroka ara-tsiantifika naneho ny ahiahiny sy nilaza fa tsy misy porofo ara-tsiantifika io. Ny mpanao politika izay mety tsy mahafehy ny tontolon’ny fitsaboana indray no nilelalela tsy tamim-pihambahambana fa tena mety sy tsy misy fiantraikany io. Samy manana ny ambarany, saingy tokony halalaka ny tsirairay. Hafahafa kosa etsy andaniny ny mahita sy mandre fitsimbadihan-kevitra tampoka avy amina vondron’olona heverina fa tena mafy amin’ny foto-keviny sy manana etika, ary tsy hivadika fahatany amin’ny heviny. Tampoka avy eo anefa dia ny lazainy fa mainty omaly, dia mitsimbadika fotsy tampoka ny ampitso. Tena fifandresen-dahatra ara-teknika sy ara-tsiantifika ve no nandeha tany tamin’ny fifampiresahana sa mety nandeha ny tapim-bava manara-penitra sanatria famarotana sy fividianana fanahy? Niarahana tamin’ny rehetra sa fanapahan-kevitr’olom-bitsy sa niaraha-nanapaka? Fahita matetika eto amintsika io, saingy enga anie mba ho diso izay eritreritra izay. Enga anie mba ho noho ny soa iombonana tokoa, fa raha sanatria misy ambadika avo lenta ho an’ny bizina sy ny tombotsoan’olom-bitsy, dia hipoitra eny foana ny marina, ary tsy ho zaka ny fipoahany amin’izay fotoana izay. Ny hamisavisana ny ratsy tokoa mba hiavian’ny soa ho an’ity firenentsika ity e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT