Tapi-dalan-kaleha!

Ketraka ny ray sy renim-pianakaviana iray


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

mivelona amin’ny tontolon’ny varotra ny sabotsy teo raha naheno fa

niakatra indray ny vidin’ny entana fanafatr’izy ireo.Niady hevitra teo izy mivady hoe dia ahoana indray izany no hanaovana azy ity ry neny? Mbola ho ampidinina indray ve ny fatran’ny entana ho amidintsika eny an-tsena nefa efa izay no tekinika natao farany teo? Tsy misy hevitra ity ry dada, hoy ramatoa, fa tsy maintsy miditra amin’ny fampiakarana ny vidin’ny vokatra amidintsika koa isika. Samy maka sary an-tsaina isika mianakavy hoe toy izay izany amin’izao fotoana izao no santionan’ny adin-tsain’ny ankamaroan-dRamalagasy kanefa ny olana nateraky ny fidangan’ny vidim-piainana eto teo aloha aza efa nampikaikaika ihany koa. Maninona moa no misy ny fiakarana? Ny valin-teny takatry ny maro an’isa ary mitombina indrindra dia ny olana mikasika ny lalana. Efa niainana rahateo isan-taona sy isaky ny vanin’andro manorana fa rehefa tapaka na potika ny lalana dia manahirana ny fampiakarana ny vokatra. Misy fotoana tokony hivadika vola very be dia be ao. Mety misy ampaham-bokatra koa lasan’ny rano na hiharana fahasimbana isan-karazany. Ara-bakiteny tsinona ny hoe tapi-dalan-kaleha. Tsy hita intsony izay aleha fa tsy maintsy miandry ny rano hitsika vao mandeha na miandry ny fahavitan’ny tetezana vonjimaika. Hatramin’izao mbola vonjimaika foana izany aloha no vahaolana hitan-drizareo mpitondra ao ambony ao fa tsy mety maharitra mihitsy. Na ny fitantanany koa aza tapi-dalan-kaleha na dia efa nandrombaka 5 taona fanindroany indray manomboka izao. Tapi-dalan-kaleha amin’ny olan’ny JIRAMA, amin’ny olan’ny fandriampahalemana, amin’ny olan’ny fako. Taiza teto ambonin’ity tany ity moa no mbola nisy filoham-pirenena na praiminisitra ka hoe nangataka CV-ana olona ho atao minisitra raha tsy teto? Taiza no mbola nisy minisitra hangataka tsipaipaika atao ezaka dabilio izany raha tsy teto nefa misy tetibola natokana ho an’ny fanabeazana ao? Nisy famatsiam-bola avy amina sampana iraisampirenena samihafa toy ny UNICEF tao. Nisy loharanom-bola tamina hetsika samihafa tao. Tapi-dalan-kaleha mankany amin’ny fampandrosoana nefa no hita hatreto ka asa na ho hita ihany tokoa izay fandrosoana izay ao anatin’izao fomba fitantanana misy ny firenena izao. Enga anie mba ho diso ny fanahian’ny mpanara-baovao!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT