Mandia ny andro fahatelo amin’ny taona vaovao sahady isika amin’ity anio ity.
Tsy hay anefa ny tsy hamerina ny fiarahabana antsika mpamaky tsy ankanavaka, nahatratra ny taona vaovao ary mbola mamerina ny fankasitrahana anareo hatrany amin’ny fahatokisana omenareo ny Tia Tanindrazana. Fankaherezana lehibe ho anay izany, ary midika ihany koa fa misy zavatra andrasanareo, eny takianareo aminay, ka dia hanao izay tratry ny saina aman’eritreritra sy ny herinay izahay hitondra ny anjara biriky hahatanteraka izany, ary mino sy manantena fa eo mandrakariva ianareo mpamaky, ho mpirahalahy mianala isika, ka ianareo tokinay ary izahay tokinareo. Vetsovetsom-po amin’izao taona vaovao izao ny hifaranan’ity krizy ity, ka hilaminan’ny firenena amin’izay.
Mifanojo amin’ny faha-40 taona nanilihana ny fitondrana sarintsariny sy ny fanjanahantany tamin’ny endriny vaovao, ka nisian’ny hetsi-bahoaka tamin’ny 1972 ity taona 2012 ity. Ho hafa kely ity taona 2012. Voasokajy ho taona “bissextile” izy, izay hoe hisy datin’ny 29 ny febroary amin’ity, izay tsy fahita raha tsy isaky ny efa-taona. Niatomboka andro alahady ny taona, ary hisy herinandro 52.
Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia i Danemark indray nanomboka ny 1 janoary teo no mitarika ny Vondrona Eoropeanina taorian’i Pologne ary hodimbiasan’i Chypre amin’ny 01 jolay. I Etazonia kosa no mitarika ny G8 na ny Vondron’ny tany manankarena indrindra eto an-tany manomboka izao. Ho taom-pifidianana koa ny taona 2012, tsy eto an-toerana fa saika amin’ny tany maro eran’izao tontolo izao. Hanao fifidianana filoham-pirenena ny any Rosia (4 martsa), ny any Frantsa (22 aprily), ny any Etazonia (6 novambra). Hanamarika ity taona ity koa ny fanakonam-bolana hitranga amin’ny 20 mey sy ny fanakona-masoandro amin’ny 13 novambra. Ho taona hafa kely, araka izany ity taona ity. Hahay hanararaotra hanoratra ny tantarany ao anatin’izany ve i Madagasikara sa ho mpitazana fotsiny ihany ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.