Tsy milamina ny tany fa samy manao izay saim-patany e ! Toy ny tany tsy misy lalàna intsony, ka raha fitoniana no ambara fa katsahina eto, dia fifanjevoana no mety ho teraka ary efa manomboka izy io.
Efa nosantarin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny didim-pitsarana mampisavorovoro ny raharaha. Aiza ve ka filoham-pirenena efa nambara sy nekeny izao, fa nandika sy nanitsakitsaka lalàmpanorenana, saingy izy ihany no niaro azy fatratra mba tsy ho voakitikitika tamin’ny sezany. Raha misy mpamono olona iray efa tratra am-bodiomby nandatsaka ain’olombelona izao ve ohatra, dia avela ho afa-bela tsotr’izao fa any amin’ny olona manodidina azy no hiandronan’ny rihatra ? Tahaka izany no miseho amin’izao fotoana izao, fa toy ny tany tsy misy lalàna e ! Resabe fotsiny ny resaka lalàna, ka arakaraka ny tombontsoan’ny eo amin’ny fitondrana no ampiharana azy na tsia. Tsy natao ho arofanina intsony ho an’ny rehetra satria ny mpitondra mihitsy no zary efa mpanome leson-dratsy, ka tsy atao mahagaga raha zary lasa fanjakan’i Baroa no misy eto. Tezaina hankato ny efa hita fa tsy mety izao ny vahoaka, ka na efa hita izao aza fa fandikan-dalàna tsy roa aman-tany no ataon’ny mpitondra sy ny mpanao politika dia tsy mba natao iharan’ny lalàna izany, ary ho lesona hifandovana eto io raha izao no mitohy e ! Efa manomboka izy io amin’ny fanaovana propangady mialoha ny fotoana, tarazon’ny loham-boton’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.