Raha ny mpino kristianina tena mafana fo no resahana sy anontaniana ny heviny ny amin’ny zava-mitranga eto amin’ny firenena, dia hamaly tsotra izy ireo fa miaina anatin’ny haizina sy ny fahalovana ary ny fahavetavetana tanteraka ny eto Madagasikara.
Manjaka ny asan’ny devoly izay mitarika ady sy fifandrafiana ary tsy ho vitan’olombelona ny hamaha ny krizy fa tsy maintsy mibebaka aloha, avy eo mitodika amin’Andriamanitra ny Malagasy, izay vao ho hita ny vahaolana. Hita sy tsikaritra tokoa aloha fa dia efa tsy milamina intsony ny tany sy ny fanjakana. Halatra sy vono olona feno habibiana etsy sy eroa, vaky trano, fanolanana, vaky fasana, fisolokiana isan-karazany, fanakanana fiara eny amin’ny lalam-pirenena, fanafihana izay rehetra fantatra fa manam-bola na zavatra sarobidy eny aminy sy ao an-tranony. Mifandimby ireo tompon’andraikitry ny filaminana manao fanambarana sy milaza ny hetsika atao, kanefa ny zava-misy dia toa vao mainka aza, miha sahy amin’ny asa ratsy ataony ary romotra ireo jiolahy, ary na olon-tsotra, na manampahefana na mpitandro ny filaminana dia samy lasibatra avokoa. Tahaka ny tany tsy misy lalàna sy tsy misy fanjakana ny eto Madagasikara ankehitriny. Ny jiolahy mitam-piadiana no manjaka sy manao izay tiany. Mandry andriran’antsy isan’andro ny vahoaka, mitaintaina na ao an-trano, na eny an-dalambe. Tsy azo atao ny manao firavaka volamena na mitondra vola matevintevina.
Dia ahoana izany no vahaolana ? Tena voafehin’ny mpitandro ny filaminana ve izao tsy fandriampahalemana izao ? Manana paikady hamongorana ny asan-jiolahy ve ny fitondrana tetezamita sa tena manenjik’aloka fotsiny ? Iza no tena atidoha maniraka ireo jiolahy ireo ? Be loatra ny fanontaniana tsy mety ahitam-baliny mazava ary manjavozavo be ihany ny zava-misy. Maro ny olona no milaza fa misy ireo mpitandro ny filaminana no miara-miasa amin’ny jiolahy, ka izay no mahasarotra ny raharaha. Raha toa ka asa fanakorontanana sy misy ambadika politika ilay izy, nahoana no tsy ambara mazava izay mpanao politika ao ambadik’izany sy ny miaraka aminy ? Anatina hetsika manokana izao ny mpitandro ny filaminana amin’ity famongorana ny asan-jiolahy ity koa dia miandry izany ny Gasy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.