“Ny hevitra no miady fa tsy ny olombelona”, hoy ny fitenenana ary izay no tokony ho foto-pisainana amin’ity resa-politika eto amintsika ity.
Anaty fifidianana isika amin’izao ka dia samy manana ny ambarany ireo kandida. Samy manana ny fampanantenany sy ny heveriny fa fomba hahareseny lahatra ny mpifidy, izay tsy hifanomezan-tsiny loatra angamba rehefa manaraka ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ny zava-misy anefa, dia tsy mazava sy tsy mipetraka tsara ny lalàna ka toa samy manao ny danin’ny kibony eto. Nambara, ohatra, fa tsy azo atao ny manaratsy kandida iray tsy mitovy hevitra amin’ny tena, indrindra fa ny haino aman-jery. Fa inona marina ilay fanaratsiana tiana hosorohana sy tsy hiseho ? Ny filazana ny marina sy ny fampahatsiahivana ny tantara efa nisy na koa fahatsapan’ny olona, toy ireo lasibatry ny raharaha 2009 hoe: i Andry Rajoelina dia mpanongam-panjakana na “Putchiste” sady nampandroba sy nampandoro fananan’olona ve izao fanaratsiana ? Mila faritana mazava ny lalàna sy fitsipika hifampifehezana momba ny atao hoe tena fanaratsiana fa toa misy ny zavatra heverina ho zava-marina, saingy misy dia toa lasa romotra mihitsy rehefa voakitikitika kely ny kandidany, ka te hanangam-bovona mafy kanefa ny zava-doza sy ny tantara ratsy nataony teto amin’ny firenena no mamatotra azy. Ao indray anefa no ezahina lotoina sy halana baraka an-kitsirano, ary toa efa tena tany tsy misy fanjakana izany mihitsy no eto. Aiza ve ka sarisary tena mamoafady sy tsy faneho masoandro, ohatra, no naparitaka hoenti-manivaiva an’i Marc Ravalomanana mivady. Rehefa iza ihany no lasibatra dia raisina ny andraikitra e ? Mbola tany misy fanjakana ihany ve no eto ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.